Passiflora

Ny Passiflora dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Passifloraceae. Miisa 530 mahery ny karazana ao aminy. Izy ireo dia zavamaniry mianika izay manana voniny mahavariana, izay fahita indrindra amin' ny faritra misy toetany malefaka.
Ny anaran' io vondron-karazana io vokatry ny fampiasan' ny misiônera Zezoita tany Amerika Atsimo ny vonin' ireo zavamaniry ireo mba hanehoana ny Fijalian' i Kristy (Passio Christi amin' ny teny latina) tamin' ny mponina tany: satria ny vavimbony, ny endriky ny vondrom-pelambony ary ny felam-bony isan-karazany mitovitovy amin' ny satro-tsilo, amin' ny tantanana ary ny fantsika nampiasaina tamin' ny Fanomboana.

Fantatra amin' ny fitsaboana amin' ny alalan' ny zavamaniry ny ampahany hita ety ambonin' ny tany amin' ny Passiflora incarnata noho ny fahafahany manala fanahiana sy manome fitonian-tsaina. Mamokatra voany azo hanina rehefa masaka, izay manana tsiro makirana, ampiasaina amin' ny fanamboarana ranom-boankazo, ny Passiflora edulis. Fanao haingo indrindra any Frantsa ny Passiflora caerulea. Ny karazana fihinam-boa nampidirina eto Madagasikara dia fantatra amin' ny teny malagasy samihafa toy ny hoe garanadelina na girenadelina (indrindra ny Passiflora incarnata, ny Passiflora caerulea, ny Passiflora edulis ary ny Passiflora quadrangularis).
Heverina fa vokatry ny asan' ny lolo ny fahasamihafan' ny endriky ny ravina amin' ny karazana Passiflora. Ny samoina Heliconius dia mazàna misafidy endrika ravina sasany hanatodizany. Manery ilay zavamaniry "hamorona" endrika hafa ny tsindry avy amin' ny fanday izay mihinana ireo ravina ireo.
Karazana notsongaina
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana voatsonga sasany araka ny hita ao amin' ny Integrated Taxonomic Information System (ITIS) (01 Janoary 2014):
- Passiflora affinis Engelm.
- Passiflora alata Curtis
- Passiflora anadenia Urb.
- Passiflora antioquiensis H. Karst.
- Passiflora arida (Mast. & Rose) Killip
- Passiflora arizonica (Killip) D.H. Goldman
- Passiflora X belotii hort. ex Pepin
- Passiflora berteroana Balb. ex DC.
- Passiflora bicornis Mill.
- Passiflora biflora Lam.
- Passiflora bilobata Juss.
- Passiflora bryonioides Kunth
- Passiflora caerulea L.
- Passiflora ciliata Aiton
- Passiflora cincinnata Mast.
- Passiflora coccinea Aubl.
- Passiflora X colvillii Sweet
- Passiflora edulis Sims
- Passiflora filipes Benth.
- Passiflora foetida L.
- Passiflora gracilis Jacq. ex Link
- Passiflora incarnata L.
- Passiflora laurifolia L.
- Passiflora ligularis Juss.
- Passiflora lutea L.
- Passiflora maliformis L.
- Passiflora manicata (Juss.) Pers.
- Passiflora mexicana Juss.
- Passiflora mixta L. f.
- Passiflora morifolia Mast.
- Passiflora multiflora L.
- Passiflora murucuja L.
- Passiflora pallens Poepp. ex Mast.
- Passiflora pallida L.
- Passiflora quadrangularis L.
- Passiflora racemosa Brot.
- Passiflora rubra L.
- Passiflora serratodigitata L.
- Passiflora sexflora Juss.
- Passiflora suberosa L.
- Passiflora subpeltata Ortega
- Passiflora tarminiana Coppens & V.E. Barney
- Passiflora tenuiloba Engelm.
- Passiflora tripartita (Juss.) Poir.
- Passiflora tuberosa Jacq.
- Passiflora tulae Urb.
- Passiflora X violacea Loisel.
- Passiflora vitifolia Kunth