Hankany amin'ny vontoatiny

Passer montanus

Avy amin'i Wikipedia
Passer montanus

Ny Passer montanus dia vorona madinka ao amin'ny fianakaviana Passeridae, hita any amin' ny ankamaroan' ny faritra eran-tany. Izy io dia vorona kely manana halava 16 sm sy lanja 24–39,5 g. Ny vavy sy ny vorona tanora dia miloko volontakatra hatsatra sy volondavenona, ary ny lahy dia manana marika mainty sy fotsy ary volontany marevaka kokoa. Iray amin'ny karazana manodidina ny 25 ao amin'ny vonron-karazana Passer ny Passer montanus izay teratany any amin' ny ampahany be amin'i Eorôpa sy any amin' ny lemaka manodidina an'i Mediteranea ary any amin'ny ampahany be amin'i Azia. Ny fampidirana azy, na niniana na tsia, any amin'ny faritra maro, anisan'izany ny ampahany amin'i Aostralazia sy i Afrika ary i Amerika, no mahatonga azy io ho voron-dia miely patrana indrindra.