Hankany amin'ny vontoatiny

Parasy lafrika

Avy amin'i Wikipedia
Parasy lafrika ao anaty tranon' atodiny

Ny parasy lafika dia karazana parasy kely trôpikaly izay miditra sy manatody ao amin' ny hoditry ny olombelona na ny an' ny biby sasany (omby, osy, kisoa, alika, saka, totozy, voalavo, sns) sady miteraka fanaintainana sy hidihidy. Arthropoda katsentsitra hita any amin' ny faritra mafana ny parasy lafrika, indrindra any Amerika Atsimo (ohatra, Goiana), Antilia, Afrika ary Madagasikara. Amin' ny halavany iray milimetatra dia io no ny parasy kely indrindra fantatra.

Atao hoe Tunga penetrans na Sarcopsylla penetrans na Pulex penetrates ny anarany ara-tsiansa. Ao amin' ny filaharana Siphonaptera (parasy) sy ao amin' ny fianakaviana Hectopsyllidae ary vondron-karazana Tunga izy.

Mandritra ny fiainana ivelan' ny fidirany amin' ny hoditry ny olombelona, ity parasy ity dia mitsambikina kely kokoa raha oharina amin' ny karazana hafa: hatramin' ny 20 sm eo ho eo. Ny fanaovana kiraro mihidy dia fomba mahomby amin' ny fisorohana.

Tongotra feno parasy lafrika

Miaina ao anaty tany sy fasika ireo parasy ireo, ary mivelona amin' ny fitsentsefana ny biby mafana ra toy ny olona, ny ​​omby, ny ondry, ny alika, ny totozy, sns. Mba hiterahany, ny vavy dia mitsofoka ao ambanin' ny hoditry ny biby mpampiantrano, ka ny lohany no alefany aloha, ary ny vodiny no hita amin' ny alalan' ny loaka eo amin' ny fery amin' ny hoditra. Io fisokafana io dia ahafahan' ny parasy misefo, raha misakafo amin' ny lalan-dra ao amin' ny hoditra. Ao anatin' ny tapa-bolana dia manatody manodidina ny zato eo ho eo izay latsaka amin' ny tany ny parasy vavy. Maty ilay parasy avy eo ary esorin' ny hoditry ny mpampiantrano. Ao anatin' ny telo na efatra andro dia foy ho olitra ny atody ary haharitra telo na efatra herinandro vao miforona ho parasy lehibe.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]