Papaver somniferum
Fiseho
Ny Papaver somniferum dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Papaveraceae. Izy io dia ahitra maniry isan-taona, any Eorôpa Atsimo sy Afrika Avaratra.
Mahatratra hatramin' ny 1,5 metatra ny tahon' ity zavamaniry ity. Mamony izy amin' ny Avrily ka hatramin' ny Aogositra. Ny voniny dia mety ho fotsy na mavokely tanora, misy volomparasy matroka na mena eo afovoany. Misy vihy maro ny hodi-boany mafy sy boribory ary lehibe.

Fantatra amin' ny fananany singa mampitony (alkalôida toy ny kôdeinina sy ny môrfinina) ny Papaver somniferum. Ny voany, izay ampiasaina betsaka amin' ny sakafo, dia tsy misy afa-tsy alkalôida kely. Toy izany koa ny menaka vokarina avy aminy. Ambolena ihany koa hatao haingo sy sakafo.