Papango

Ny papango na tsimalaho dia karazana vorona ao amin' ny fianakaviana Accipitridae. Izy io ary indraindray dia heverina ho zana-karazan' ny Milvus migrans (Milvus migrans subsp aegyptius). Atao hoe Milvus aegyptius, ny anarany ara-tsiansa. Ity vorona ity dia hita any amin' ny ampahany be amin' i Afrika sy eto Madagasikara.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Mora fantatra ny papango amin' ny vavany mavo tanteraka, fa tsy toy ny an' ny Milvus migrans (izay tonga mivahiny ao Afrika mandritra ny ririnin' ny Ila Bolantany Avaratra). Na izany aza, mitovy amin' ny Milvus migrans mitovy taona aminy ny papango mbola kely.
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny fanasokajian' ny International Ornithological Union (versiona 14.1, 2024), dia manana zana-karazana roa ny Milvus aegyptius:
- Milvus aegyptius aegyptius (Gmelin, JF, 1788): Ejipta, avaratra atsinanan'i Afrika Avaratra-Atsinanana ary tapany atsimo-andrefan' ny Saikinosy Arabo;
- Milvus aegyptius parasitus (Daudin, 1800): Afrika atsimon' i Sahara sy Kômôro ary Maldiva.
Fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]Tsy tokony hampitovina amin' ny karazam-borona roa antsoina amin' ny teny frantsay hoe "papangue", dia ny Circus maillardi) sy Circus macrosceles (fandrasalambo), ny papango (Milvus migrans). Ny izany aza dia hita indraindray ny fandikana ny hoe "papango" amin' ny teny frantsay hoe "papangue" ao amin' ny boky sasany.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Akohokely lasam-papango: misidina ambony vao tra-pahoriana.
- Aza manao papango be saron-doha, ka manao hoe tsy misy zokiny afa-tsy izaho
- Aza manao papangolahy anaty katsaka, ka izay mivoaka babany avokoa.
- Aza manao papango lahy anaty katsaka, ka tsy misy lahy afa-tsy izaho.
- Aza manao papango lava elatra: mandraoka any, mandraoka aty.
- Hianao no papango sasaky ny vorona, ankihibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana.
- Hianao, ry papango didimaso, mahaiza mizaha tena vao manenitra ny olona.
- Manao akohobe milefa papango.
- Manao felan-tanam-papango: tsy maka an-kamorana fa maka an-kasarotana.
- Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo hay papango nipaoka ny akohokely.
- Papango amam-borona, ka ny toerana no iraisana, fa ny faniriana samihafa.
- Papango amim-boanjo ka toerana no iraisana.
- Papango didimaso, voron-tsy fihinana: zahao aloha ny tarehy vao mifosa ny sasany.
- Papango fotsy elatra: tsy mipaoka ny an' olona ary tsy paohin' ny an' olona.
- Papango maty, vorom-boafandrika; mataho-tody aho, fa vorom-boavono.
- Papango mipaoka an-dranomasina: mipaoka an-tanin' olona.
- Papango nifaoka hodi-tsokatra: nahazo ihany, fa akorany.
- Papango nahazo sokatra: ny remby ka azo fa ny fihinana anazy tsy hita.
- Raha papango no maty, mifaliahavanja ny akoho, fa raha olo-manga no lasa, very kiady ny madinika.
- Reraka ny kary, fa lasan-ko papango ny akoho.
- Voron-tsaporetika, papango didimaso: jereo aloha ny tena vao manenitra ny hafa.