Hankany amin'ny vontoatiny

Pandion haliaetus

Avy amin'i Wikipedia
Voromahery (Pandion haliaetus)

Ny Pandion haliaetus, dia vorona mpihaza amin'ny andro, mpihinana trondro, ao amin' ny fianakaviana Pandionidae, hita amin' ny faritra rehera amin' izao tontolo izao. Izy io dia voromahery lehibe, mahatratra 60 sm mahery ny halavany ary 180 sm ny elany roa mivelatra. Volontany izy io eo amin’ny tapany ambony ary volondavenona ny lohany sy ny ambany.

Mahazaka toeram-ponenana isan-karazany ny Pandion haliaetus, manao akany eny amin'ny toerana rehetra akaiky rano ahitany sakafo sahaza azy. Hita any amin'ny kôntinanta rehetra afa-tsy any Antarktika izy io, na dia any Amerika Atsimo aza izy io dia tsy misy afa-tsy mpifindra monina.

Saika trondro ihany no sakafon'ny Pandion haliaetus. Manana toetra ara-batana manokana sy fihetsika miavaka amin'ny fihazana ny rembiny izy. Noho ny toetra miavaka ananany dia sokajiana ao amin'ny vondron-karazany manokana izy, Pandion, sy ao amin'ny fianakaviana Pandionidae.