Hankany amin'ny vontoatiny

Pandanaceae

Avy amin'i Wikipedia
Pandanus tectorius

Ny Pandanaceae dia fianakavian-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ny karazana fantatra indrindra dia ireo ao amin' ny vondron-karazana Pandanus. Ohatra amin' izany ny Pandanus utilis. Fianakaviana tranainy izy io, efa tany amin' ny fiantombohan' ny Kretasea ka hatramin' ny afovoany. Teratany any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly aty amin' ny Tontolo Taloha, avy any Afrika Andrefana ka hatrany Pasifika. Misy karazana 982 mitsinjara amin' ny vondron-karazana telo hatramin' ny dimy izy io, ary ny Pandanus no karazana filamatra sady manan-danja indrindra, ahitana ny karazana Pandanus amaryllifolius sy ny Pandanus julianettii izay loharanon-tsakafo lehibe. Azo inoana fa tamin'ny vanim-potoana Kretacea no niandohan'ny fianakaviana. Ahitana hazo, hazobotry, zavamaniry mianika, epifita ary ahitra maniry maharitra mihoatra ny roa taona ny Pandanaceae.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana klasika, ity fianakaviana ity dia ahitana karazana 700 mizara ho voondron-karazana telo:

Amin' ny fanasokajiana ankehitriny anefa dia misy vondron-karazana fanampiny iray, izay manambatra ny karazana sasany taloha tao amin' ny Pandanus:

  • Martellidendron

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (14 Aogositra 2015):

  • Benstonea
  • Freycinetia
  • Matellidendron
  • Pandanus
  • Sararanga

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny NCBI (14 Aogositra 2015):

  • Benstonea
  • Freycinetia
  • Martellidendron
  • Pandanus
  • Sararanga

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny DELTA Angio (14 Aogositra 2015):

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny ITIS (14 Aogositra 2015):