Panama Papers
Ny Panama Papers dia manondro ny fivoahana antontan-taratasy tsiambaratelo maherin' ny 11,5 tapitrisa avy amin' ny kabinetra-mpisolovava panameana atao hoe Mossack Fonseca, izay ahitana filazana amin' ny antsipiriany momba ny orinasa ivelan' ny tanim-pirenena maherin' ny 214 000 sy ny anaran' ny tompon' andraikitra mpampiasa vola ao amin' ireo orinasa ireo. Anisan' izany ny mpanao pôlitika, ny miliaridera, ny atleta avo lenta, ary ny olo-malaza maro. Voarohirohy mivantana amin' ireo fanambaràna ireo ny lehibem-panjakana na ny lehiben-governemantan' ny firenena fito (Arabia Saodita, Arzantina, Emiràta Arabo Mitambatra, Islandy, Pakistana, Fanjakana Mitambatra, ary Okraina), toy izany koa ny mpikambana ao amin' ny governemantany, ny havany ary ny mpiara-miasa amin' ny lehiben' ny governemanta any amin' ny firenena maherin' ny 40 hafa (anisany i Azerbaijana, i Sina, i Afrika Atsimo, i Kôrea Atsimo, i Brezila, i Frantsa, i India, i Siria, i Meksika, ary i Rosia).
Ny hoe Panama Papers dia mampahatsiahy ny Pentagon Papers izay mahakasika ny Ady tany Vietnamy, anarana nomena ny antontan-taratasy miafina misy 7 000 pejy navoakan' ny New York Times tamin' ny taona 1971 sy gazety amerikana hafa manodidina ny dimy ambin' ny folo.
Mahakasika raharaha efa tamin' ny taompolo 1970 hatramin' ny faran' ny taona 2015, izay mirakitra angona mitentina 2,6 teraôktety, ireo antontan-taratasy ireo izay nomen' ny mpampaneno lakolosy tsy fantatra anarana sy tsy nokaramaina (fantatra amin' ny solon' anarana John Doe ihany). Nalefa voalohany tao amin' ny gazety alemàna mpivoaka isan' andro Süddeutsche Zeitung tamin' ny taona 2015 ny angon-drakitra, avy eo dia nozaraina haingana tamin' ny trano famoaham-baovao tany amin' ny firenena 80 mahery ireo angon-drakitra ireo tamin' ny alalan' ny International Consortium of Investigative Journalists (ICIJ) any Washington. Nivoaka tamin' ny 3 Avrily 2016 ny andian-dahatsoratra voalohany, niaraka amin' ny antontan-taratasy miisa 149. Nanaraka ny famoahana voalohany ny fanambaràna tsiambaratelo fanampiny, niaraka amin' ny lisitra fenon' ny orinasa voalaza ao amin' ireo antontan-taratasy ireo izay nantenaina havoaka amin' ny volana Mey 2016.
Ireo antontan-taratasy ireo dia mahakasika ny orinasa ivelan-tanim-pirenena (atao hoe offshore) izay nampian' ny Mossack Fonseca tamin' ny famoronana azy, na nanam-pifandraisana tamin' ny mpanjifany. Na dia tsy voararan' ny lalàna ao amin' ny ankamaroan' ny firenena aza ny orinasa ivelan-tanim-pirenena, dia voararan' ny lalàna ny fampiasana azy ireo ho orinasa fanakona-maso manampy amin' ny fandosirana hetra na amin' ny famotsiam-bola.