Aller au contenu

Palaeognathae

Avy amin'i Wikipedia
Palaeognathae

Ny Palaeognathae dia iray amin' ny sampana (zafin-kilasy) roa lehibe amin' ny vorona môderina (Neornithes), ny iray hafa dia ny an' ny Neognathae. Ny Palaeognathae dia ahitana vondrona vorona velona dimy izay tsy mahay manidina (miampy ny roa efa lany tamingana), izay nahaforona ny antokon' ny Ratitae, sy vondrona vorona afaka manidina, ny Tinamidae. Misy karazany 47 amin' izao fotoana izao ny Tinamidae, 5 ny Apteryx (kioy), 3 ny Casuarius (kasoara), ny 2 ny Rhea (nando), ny 2 ny Struthio (aotirisy) ary ny iray ny Dromaius (emo) (misy iray efa lany tamingana).

Ny fikarohana vao haingana dia mampiseho fa ny Palaeognathae dia vondrona mônôfiletika, fa ny fampidirana ny Tinamidae ao amin' ny fisampantsapanana haingan' ny Palaeognathae nandritra nu evôlisiôna dia mahatonga ny vondrona Ratitae ho pôlifiletika, ny tsy fahafahana manidina dia toetra nipoitra imbetsaka tsy miankina, ary, amin' ny ampahany, ny fitovitovian' ny Ratitae dia noho ny fifanahafana vokatry ny evôlisiôna. Nanomboka tamin' ny taona 2010, ny fanadihadiana ADN dia mampiseho fa ny Tinamidae dia vondrona mirahavavy amin' ny Dinornithiformes (môa), vondrona efa lany tamingana any Zelandy Vaovao.

Ny taolan-danilanin' ny Palaeognathae dia mitambatra fa tsy toy izany ny an' ny Neognathae. Efa ela no noheverina fa ny hamafin' ny lanilany dia toetra voatahirin' ny Palaeognathae avy amin' ny razambe ary ny fahafahany mihetsiketsika dia toetra azon' ny Neognathae taty aoriana, saingy ny fandinihana ny Janavis finalidens, izay Ichthyornis (vondrona anabavin' ny Neornithes, ny vorona ankehitriny) izay niaina tany amin' ny faran' ny vanim-potoana Maastrichtiana Ambony, dia mampiseho fa manana ny lanilany afa-mihetsiketsika izy: ny fahafaha-mihetsika dia toetra azon' ny Ornithurae taty aoriana avy amin' ny razana, voatahirin' ny Neognathae fa very tao amin' ny Palaeognathae. Ao amin' ny taranaka izay nandao ny fahafaha-manidina, dia hita ny fanjavonan' ny trako (taolana mivelatra eo amin' ny tratra manambatra ny taolan-tehezana, manamora ny fahafahan' ny vorona hisidina).

Fanakilasiana

[hanova | hanova ny fango]

Filaharana ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny filaharana ankehitriny araka ny fanaklasiana filamatra (versiôna 10.2, 2020) nataon' ny International Ornithological Congress:

  • Apterygiformes Haeckel, 1866 - kioy
  • Casuariiformes Sclater, 1880 - kasoara sy emeo
  • Rheiformes Forbes, 1884 - nando
  • Struthioniformes Latham, 1790 - aotirisy
  • Tinamiformes Huxley, 1872 - tinamo

Filaharana lany tamingana

[hanova | hanova ny fango]

Lisitry ny filaharana fôsily araka ny BioLib (2020) :

  • Aepyornithiformes Newton, 1884
  • Dinornithiformes Gadow, 1893
  • Lithornithiformes Houde, 1988
  • Remiornithiformes Martin, 1992
  • Incertae sedis :
    • vondron-karazana † Diamantornis Pickford & Dauphin, 1993

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]