Aller au contenu

Pôtasiôma

Avy amin'i Wikipedia
Pôtasiôma

Ny pôtasiôma dia singa simika manana ny laharana atômika 19, aseho amin' ny alalan' ny litera K (avy amin' ny teny latina hoe kalium).

Anisan' ny vondrona voalohany ao amin' ny tabilaon-tsingerina izy io ary indrindraindrindra ao amin' ny metaly alkalinina. Manakaiky ny an' ny sôdiôma ny toetra simika ao aminy. Eto amin' ny Tany sy planeta vato hafa dia matetika izy io mifamatotra amin' ny singa hafa ao anatin' ny mineraly maro. Izy io dia misy ao anaty rano an-dranomasina amin' ny fatra 0,4 g/kg eo ho eo, amin' ny endrika iôna botsoaka. Amin' ny hafanana sy ny tsindry manara-penitra, ny singa tsotra dia metaly malemy, fotsy manjelatra somary manga. Lasa harefesina haingana izy rehefa mifampikasoka amin' ny rivotra ary miota mahery vaika amin' ny rano.