Pôrselenina
Fiseho

Ny pôrselenina dia seramika vokarina avy amin' ny kaôlinina (taniravo) sy vatokaranana ary feldspata. Raha azo amin' ny fandoroana mihoatra ny 1 200 °C, izy io dia antsoina hoe pôrselenina mafy. Izy io dia ampiasaina voalohany indrindra amin' ny fitaovana fanaovan-tsakafo an-databatra. Ny teknika fanamboarana bakoly dia nahatratra ny fara tampony tany Sina tamin' ny taonjato faha-12, tany Alemaina tamin' ny taonjato faha-18, ary tany Limoges (Frantsa) tamin' ny taonjato faha-19.