Hankany amin'ny vontoatiny

Pôlitika iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny pôlitika iraisam-pirenena dia ny fihetsiky ny firenena eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena sy momba ny safidiny diplômatika. Eo amin' ny pôlitika iraisam-pirenena dia fahaizana mahazo tombony lehibe indrindra ho an' ny firenen' ny tena araka izay azo atao ny diplômasia. Amin' ny maha fitondrana ny raharaham-bahoaka ny pôlitika, dia ny fitandroana ny filaminana sy ny fanatsarana ny toe-draharaha eo amin' ny firenena iray manoloana ny firenena rehetra mifaninana aminy no tanjony. Mikatsaka ny hanamafy ny toerany sy ny heriny, na amin' ny alalan' ny varotra, na amin' ny alalan' ny tafika na amin' ny alalan' ny fivavahana, ny pôlitika iraisam-pirenenan' ny firenena iray. Ny pôlitika iraisam-pirenena koa dia mikendry ny hanome fahafaham-po ny hevi-bahoaka ao aminy, izay matetika mampahatsiahy ny lasan' ny fireneny (ohatra: ny Empira Mpanjanaka Frantsay ho an' i Frantsa).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]