Pôhatàna (vahoaka)

Ny Pôhatàna dia vahoaka amerindiana any amin'ny Ala Avaratra Atsinanana (anglisy: Indigenous peoples of the Northeastern Woodlands) izay anisan'ny foko mpikambana ao amin'ny Kônfederasiôna Pôhatàna, na Tsenacommacah. Vahoaka algônkiana izy ireo izay manana faritany manantantara any faritra atsinanana ao Virginia. Atao hoe Powhatan izy ireo amin' ny teny anglisy. Ny fitenin'izy ireo, atao hoe fiteny pôhatàna dia fiteny algônkiana atsinanana, antsoina koa hoe "fiteny algônkianan'i Virginia". Tamin'ny taona 1607 dia notombanana ho 14.000 ka hatramin' ny 21.000 ny vahoaka pôhatàna nonina tany amin' ny faritra atsinanana ao Virginia rehefa nanangana an' i Jamestown ny voanjo anglisy.
Matetika ny Anglisy sy Pôhatàna no mifanambady, ary i Pocahontas sy John Rolfe no malaza indrindra. Ny zanakalahin'izy ireo dia i Thomas Rolfe, izay manana taranaka tombanana ho 100.000 eo ho eo ankehitriny. Maro amin' ny Fianakaviana Voalohany any Virginia (anglisy: First Families of Virginia) no manana razambe anglisy sy algônkianan'i Virginia.
Foko teratany valo eken'ny Fanjakan' i Virginia no manana razambe fototra tao amin' ny Kônfederasiôna Pôhatana. Ny Pamonkey (Pamunkey) sy ny Matapôny (Mattaponi) no hany vahoaka nitazona tany fitahirizana nanomboka tamin' ny taonjato faha-17.
Amin' izao fotoana izao dia maro amin' ny taranaka avy amin'ny Kônfederasiôna Pôhatàna no misoratra anarana amin'ny foko enina ekena any Virginia, dia ireto avy, amin' ny teny anglisy:
- Chickahominy Indian Tribe
- Chickahominy Indian Tribe–Eastern Division
- Nansemond Indian Nation
- Pamunkey Indian Tribe
- Rappahannock Tribe, Inc.
- Upper Mattaponi Tribe.