Ovy (Dioscorea)
Fiseho
(tonga teto avy amin'ny Ovy (dioscorea))

Ny ovy dia zavamaniry isan-karazany ao amin' ny vondron-karazana Dioscorea izay fantatra amin' ny anarana hoe "ovy" na anarana misy ny teny hoe "ovi-". Ny sasany amin' ireo karazana ireo dia mitondra ny anarana hoe "ovy" tokoa fa ny hafa dia mitondra anarana ahitana ny teny hoe "ovi-". Marihina fa atao hoe "ovy" koa ny Solanum tuberosum izay atao hoe "ovimbazaha" na "ovivory" sy ny Ipomoea batatas izay atao hoe "bageda", "vomanga", "bele", "bokala", sns.
Lisitry ny anarana amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]
Inty ny lisitry ny anarana Dioscorea ("ovy" na "ovi-") amin' ny teny malagasy arahin' ny karazana tondroina amin' izany:
- ovy: Dioscorea acuminata, Dioscorea alata
- oviala: Dioscorea heteropoda, Dioscorea ovinala, Dioscorea sambiranensis, Dioscorea trichantha
- oviampasika: Dioscorea seriflora (na Dioscorea tanalarum)
- ovibe: Dioscorea alata
- ovifaitra: Dioscorea arcuatinervis
- ovifantaka: Dioscorea alata, Dioscorea bulbifera
- ovifohy: Dioscorea alata
- ovifotsy: Dioscorea pteropoda, Dioscorea seriflora
- oviharina na ovihary: Dioscorea alata
- ovihazo na oviazo: Dioscorea minutiflora
- ovihotro: Dioscorea seriflora, Dioscorea tsaratananensis
- ovikambarina na ovikambary: Dioscorea alata, Dioscorea bemarivensis
- ovilava: Dioscorea alata, Dioscorea seriflora
- ovimamy: Dioscorea heteropoda
- ovimarika: Dioscorea arcuatinervis
- ovimboay: Dioscorea alata
- ovimena: Dioscorea alata
- ovinala: Dioscorea heteropoda, Dioscorea ovinala, Dioscorea trichantha
- ovio: Dioscorea maciba
- ovirombe: Dioscorea antaly (izany hoe "ovirona" lehibe)
- ovirona: Dioscorea alata
- ovisofina: Dioscorea seriflora, Dioscorea tsaratananensis
- ovisorokomby: Dioscorea alata
- ovitanty: Dioscorea alata
- ovitsangana: Dioscorea hexagona
- ovitsimanandena: Dioscorea bemarivensis (na Dioscorea lucida Scott-Elliot)
- ovivavy: Dioscorea alata
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana antsoina amin' ny anarana hoe "ovy" na amin' ny anarana misy ny teny hoe "ovi-":
- Dioscorea acuminata -- ovy
- Dioscorea alata -- ovibe, ovifantaka, ovifohy, oviharina, ovihary, ovikambarina, ovikambary, ovilava, ovimboay, ovimena, ovirona, ovisorokomby, ovitanty, ovivavy, ovy (anarany koa ireto: antibavimiavokanina, bemako, mavondro, sorokomby)
- Dioscorea antaly -- ovirombe (anarany koa ireto: antadina, antady, antaly, antandena, ataly, fangahanga, papa, reoreo, tsihina)
- Dioscorea arcuatinervis -- ovifaitra, ovimarika (na koa mareka)
- Dioscorea bemarivensis (na Dioscorea lucida Scott-Elliot) -- ovikambary, ovitsimanandena (na elakelaka)
- Dioscorea bulbifera -- ovifantaka (na hofika, hofika, hofikary, hofitra, hovika, ofaka, ofikary)
- Dioscorea heteropoda -- oviala, ovimamy, ovinala (na heofika, hofika, hofimamy, lofika, ofika, ofimamy)
- Dioscorea hexagona -- ovitsangana (na kitaotao, kitaratara, kitaratasy, kitsaotsao, voakisitany)
- Dioscorea maciba -- ovio (na malita, mality, masiba)
- Dioscorea minutiflora -- oviazo, ovihazo
- Dioscorea ovinala -- oviala, ovinala (na angaroka, angaroky, sosa, soso, viala)
- Dioscorea pteropoda -- ovifotsy (na totongana)
- Dioscorea sambiranensis (na Dioscorea fimbriata Jum. & H. Perrier) -- oviala (na angona, babanga)
- Dioscorea seriflora (na Dioscorea tanalarumDioscorea tanalarum) -- oviampasika, ovifotsy, ovihotro, ovilava, ovisofina (na banabana)
- Dioscorea trichantha -- oviala, ovinala (na bako, keliloha, sorokomby)
- Dioscorea tsaratananensis -- ovihotro, ovisofina
Fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]Marihina fa atao hoe "ovy" koa ireto zavamaniry manaraka ireto:
- Solanum tuberosum izay atao hoe "ovimbazaha" na "ovivory", izay ao amin' ny fianakaviana Solanaceae;
- Ipomoea batatas izay atao hoe "bageda", "vomanga", "bele", "bokala", sns, izay ao amin' ny fianakaviana Solanaceae ihany koa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- antady, antaly, antadina, antandena, ataly