Hankany amin'ny vontoatiny

Otrika (vorona)

Avy amin'i Wikipedia
Otrika (Gallinula chloropus)

Ny otrika na ahakañy na aretaka dia karazana vorona an-drano ao amin' ny filaharana Gruiformes sy ao amin' ny fianakaviana Rallidae. Gallinula chloropus ny anarany ara-tsiansa. Afaka manidina ny otrika. Eny amin' ny dobo sy amin' ny lalan-drano misy zavamaniry matevina no tena ahita azy. Mirefy 32 ka hatramin' ny 35 sm ny halavan' io vorona io ary 50 hatramin' ny 55 sm ny halavan' ny elany roa atambatra ary 260 hatramin' ny 400 g ny lanjany. Mora fantarina izy io amin' ny vavany misy tendrony mavo. Ny volony dia manomboka amin' ny manga maizina ka hatramin' ny mainty, ny elatra manja matroka ary mipentina fotsy ny andaniny roa amin' ny kotrombodiny. Maitso mavo ny tongony ary tsy mitovy amin' ny an' ny ganagana na ny gisa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]