Hankany amin'ny vontoatiny

Ostreidae

Avy amin'i Wikipedia
Magallana gigas

Ny Ostreidae fianakaviana biby an-dranomasina izay anisan' ny Mollusca (akoran-dranomasina, sns), ao amin' ny filaharana Ostreoida. Azon' ny olombelona atao sakafo ny ankamaroany, izay antsoina amin' ny teny malagasy hoe masajy, himbato, na zoity (avy amin' ny teny frantsay hoe "huitre").

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
Saccostrea cuccullata

Mizara ho vondron-karazana miisa 14 hatramin' ny 16 mbola misy ankehitriny ny fianakaviana Ostreidae, ankoatry ny efa lany tamingana, izay ahitana karazany velona eo amin' ny 71 eo ho eo amin' ny fitambarany. Maro amin' ireo vondron-karazana ireo no tsy ahitana afa-tsy karazana iray ihany, ary ny vondrona Ostrea, Crassostrea, Magallana, ary Saccostrea no tena maro karazana ao anatin' io fianakaviana io.

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny World Register of Marine Species (9 Janoary 2015)[1]:

  • Alectryonella Sacco, 1897 -- karazana 1
  • Anomiostrea Habe & Kosuge, 1966 -- karazana 1
  • Booneostrea Harry, 1985 -- karazana 1
  • Crassostrea Sacco, 1897 -- karazana 12
  • Cubitostrea Sacco, 1897 efa lany tamingana
  • Dendostrea Swainson, 1835 -- karazana 7
  • Flemingostrea Vredenburg, 1916 efa lany tamingana
  • Lopha Röding, 1798 -- karazana 1
  • Magallana Salvi & Mariottini, 2016 -- karazana 10
  • Nanostrea Harry, 1985 -- karazana 1
  • Nicaisolopha Vyalov, 1936 -- karazana 1
  • Ostrea L., 1758 -- karazana 17
  • Planostrea Harry, 1985 -- karazana 1
  • Pustulostrea Harry, 1985 -- karazana 2
  • Saccostrea Dollfus & Dautzenberg, 1920 -- karazana 10
  • Striostrea Vialov, 1936 -- karazana 3
  • Talonostrea Li & Qi, 1994 -- karazana 2
  • Teskeyostrea Harry, 1985 -- karazana 1

Inty ny lisitry ny vondron-karazana 25 araka ny World Register of Marine Species, anisan' izany ny 18 mbola velona[2]:

  • Actinostreon Bayle, 1878 (†)
  • Alectryonella Sacco, 1897
  • Angustostrea Vialov, 1936 (†)
  • Anomiostrea T. Habe & Kosuge, 1966
  • Booneostrea Harry, 1985
  • Crassostrea Sacco, 1897
  • Cubitostrea Sacco, 1897 (†)
  • Dendostrea Swainson, 1835
  • Ferganea Vialov, 1936 (†)
  • Gyrostrea Mirmakolov, 1966 (†)
  • Kulunostrea J.-M. Wei, 1984 (†)
  • Lopha Röding, 1798
  • Magallana Salvi & Mariottini, 2016
  • Nanostrea Harry, 1985
  • Nicaisolopha Vyalov, 1936
  • Ostrea L., 1758
  • Planostrea Harry, 1985
  • Pseudoperna Logan, 1899 (†)
  • Pustulostrea Harry, 1985
  • Saccostrea Dollfus & Dautzenberg, 1920
  • Sokolowia Böhm, 1933 (†)
  • Striostrea Vialov, 1936
  • Talonostrea X.-X. Li & Z.-Y. Qi, 1994
  • Teskeyostrea Harry, 1985
  • Umbrostrea Hautmann, 2001 (†)

Vondron-karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Magallana gigas
Lopha cristagalli

Ao amin' ny ranomasina manodidina an' i Madagasikara, ny fianakaviana Ostreidae dia ahitana indrindra vondron-karazana telo lehibe: Saccostrea sy Magallana ary Lopha.

  • Ny Magallana, izay ahitana ireo karazana masajy fahita eny amin' ny ala honko sady angonina amin' ny fomba nentim-paharazana, anisan' izany ny karazana Magallana bilineata (na Crassostrea madrasensis sy Magallana madrasensis teo aloha) ary Magallana gigas (na Crassostrea gigas teo aloha) (ho an' ny andrana fiompiana).
  • Ny Lopha: malaza eto Madagasikara ity vondron-karazana ity noho ilay karazana velon-koazy Lopha cristagalli (na Ostrea tridacnaeformis).
  • Ny Saccostrea no vondron-karazana manjaka any amin' ny tontolo voajanahary. Ahitana karazana Saccostrea cucullata (na Crassostrea cucullata teo aloha) ny eny amin' ny ala honko, ny eny amin' ny vatolampy, ary ny eny amin' ny riakasia amorontsiraka, indrindra fa any atsimo-atsinanana akaikin' i Taolagnaro sy manaraka ny morontsiraka andrefana.
  1. "Ostreidae Rafinesque, 1815" (arsiva), World Register of Marine Species, Notsidihina tamin' ny 9 Janoary 2015.
  2. Schneider, Simon (2024-10-17). "Ostreidae Rafinesque, 1815". WoRMS. World Register of Marine Species. Notsidihina tamin' ny 10/03/2025.