Oryza
| Oryza | |
|---|---|
| Fanasokajiana ara-tsiansa | |
| Fanjakana: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Filaharana: | |
| Fianakaviana: | |
| Vondron-karazana: | Oryza |
Ny Oryza dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, ao amin' ny zana-pianakaviana Oryzoideae, ao amin' ny filaharana Cyperales (araka ny fanasokajiana klasika) na Poales (araka ny fanasokajiana APG III). Ahitana karazana roapolo eo ho eo ekena ity vondron-karazana ity, anisan' izany ny karazana vary roa ambolena, dia ny Oryza sativa sy ny Oryza glaberrima, izay anisan' ny zavamaniry tena ilaina amin' ny sakafon' olombelona. Karazana bozaka maniry amin' ny tany mando ny karazana ao amin' ny Oryza ary mety hahatratra 1 ka hatramin' ny 2 metatra ny haavony. Ahitana karazana maniry isan-taona sy mihoatra ny roa taona ny ao amin' ity vondron-karazana ity. Karazana maniry hoazy maro (tsy ambolena), anisan' izany ny Oryza perennis, ny Oryza nivara, ny Oryza rufipogon, ny Oryza latifolia, ary ny Oryza punctata, izay tena akaiky ara-biôlôjia amin' ny vary ambolena, indraindray mitovy fomba amin' ny ahi-dratsy raha eny an-tanimbary ka sarotra fonganina ary heverina fa manimba.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Tsy mitovy ny isan' ny karazana ekena arakaraka ny mpanoratra. Araka ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (22 Avrily 2017), ireo karazana 19 voatanisa etsy ambany ireo ihany no tokony hoheverina ho tena karazana miavaka.
- Oryza australiensis Domin (1915)
- Oryza barthii A.Chev. (1910)
- Oryza brachyantha A.Chev. & Roehr. (1914)
- Oryza coarctata Roxb., Fl. Ind. ed. 1832 (1832)
- Oryza eichingeri Peter (1930)
- Oryza glaberrima Steud. (1853)
- Oryza grandiglumis (Döll) Prodoehl (1922)
- Oryza latifolia Desv. (1813)
- Oryza longiglumis Jansen (1953)
- Oryza longistaminata A.Chev. & Roehr. (1914)
- Oryza meyeriana (Zoll. & Moritzi) Baill. (1894)
- Oryza minuta J.Presl (1830)
- Oryza neocaledonica Morat, Bull. Mus. Natl. Hist. Nat., B (1994)
- Oryza officinalis Wall. ex Watt (1891)
- Oryza punctata Kotschy ex Steud. (1853)
- Oryza ridleyi Hook.f. (1896)
- Oryza rufipogon Griff. (1851)
- Oryza sativa L. (1753)
- Oryza schlechteri Pilg. (1914)
Lisitra hafa
[hanova | hanova ny fango]Ahitana karazany maro arakaraka ny habeny sy ny lokony ary ny tsirony ny vary.
- Oryza alta Swnllen
- Oryza australiensis Domin
- Oryza barthii A. Chev.
- Oryza brachyantha Chev.
- Oryza eichingeri Peter
- Oryza glaberrima Stend.
- Oryza grandiglumis (Don.) Prod.
- Oryza granulata Nees.
- Oryza latifolia Beauv.
- Oryza longiglumis P. Jansen
- Oryza longistaminata Chev. & Roch.
- Oryza meyeriana (Zoll. & Mon.) Baill
- Oryza minuta Presl
- Oryza nivara ?
- Oryza officinalis Wall.
- Oryza punctata Kotschy ex Stend.
- Oryza ridleyi Hook. f.
- Oryza rufipogon Griff.
- Oryza sativa Linn.
- Oryza sativa f. spontanica auct.
- Oryza schlechteri Pilqer
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Varimbazaha
- Katsaka
- Ampemba
- Karazana ahitra fihinam-boa:
- Oryza ( Oryza sativa, Oryza glaberrima) - Hordeum (Hordeum vulgare) - Triticum (Triticum aestivum, Triticum durum)- Zea (Zea mays) - Secale (Secale cereale) - Avena (Avena sativa) - Sorghum (Sorghum bicolor) - Setaria (Setaria italica) - Eleusine (Eleusine coracana) - Digitaria (Digitaria exilis, Digitaria iburua) - Pennisetum (Pennisetum glaucum) - Echinochloa (Echinochloa frumentacea, Echinochloa colona)
- Panicum (Panicum miliaceum) - Coix (Coix lacryma-jobi) - Cenchrus (Cenchrus americanus) - Brachiaria (Brachiaria ruziziensis) - Phalaris (Phalaris canariensis) - Agrostis (Agrostis capillaris) - Lolium (Lolium perenne)
- Fagopyrum (tsy anisan' ny Poaceae fa Polygonaceae, ohatra: Fagopyrum esculentum)