Hankany amin'ny vontoatiny

Orthoptera

Avy amin'i Wikipedia
Ny Romalea guttata, karazana Caelifera

Ny Orthoptera dia filaharana ao amin' ny kilasin' ny Insecta (bibikely). Manana elatra mahitsy manaraka ny vatany ireo biby ireo. Misy karazana 22 000 eo ho izy ireo. Mihinana zavamaniry ny ankamaroan' ireo karazana ireo, na dia maro aza no mpiremby (mihinana biby hafa). Ity filaharana ity dia mizara ho zana-pilaharana roa: dia ny Ensifera (izay ahitana ny angely sy karazana valala mpitsambikina sasany) sy ny Caelifera (ahitana ny valala mpanidina). Avy amin' ny teny grika roa hoe ὀρθός / orthós izay midika hoe "mahitsy" sy πτερά / pterá izay midika hoe "elatra" ny teny hoe Orthoptera.

Pholidoptera griseoaptera, anisan' ny Ensifera.

Manana fiofohana tsy feno ny bibikely ao amin' io filaharana io, ary mamoaka feo amin' ny fikosohana ny elany amin' ny tongony na amin' ny elany hafa. Eo amin' ny tongony anoloana ny sofin' ny angely ao amin' ny Ensifera sy ny mitovitovy aminy, fa eo amin' ny ampahany voalohany amin' ny kibony kosa ny an' ny valala ao amin' ny Caelifera sy ny mitovitovy aminy. Mampiasa fihararetra ireo zavamananaina ireo mba hitadiavana ny namany. Afaka mampiforitra ny elany ny valala sy ny Orthoptera hafa (izany hoe mpikambana ao amin' ny Neoptera izy ireo).

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Fanasokajiana ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Orthoptera dia filaharana ao amin' ny reni-filaharana Polyneoptera, ao amin' ny zafin-kilasy Neoptera, ao amin'ny zana-kilasy Pterygota, ao amin' ny kilasy Insecta, ao amin' ny zana-pisampanana Hexapoda, ao amin' ny fisampanana Arthropoda, ao amin' ny fanjakana Animalia.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]
Gryllotalpa africana (Gryllotalpidae)

Araka ny Orthoptera Species File (17 Mey 2012) dia ireto ny zana-pilaharana ao amin' ny Orthoptera:

Caelifera

[hanova | hanova ny fango]
Calliptamus italicus (Acridoidea)
Pneumora inanis (Pneumoroidea)

Toy izao ny fanasokajiana anatiny ao amin' ny Caelifera izay mampiseho ny zafim-pilaharana sy ny fianakaviambe:

  • Caelifera
    • Acrididea
      • Acridoidea
      • Eumastacoidea
      • Locustopsoidea†
      • Pneumoroidea
      • Pyrgomorphoidea
      • Tanaoceroidea
      • Tetrigoidea
      • Trigonopterygoidea
    • Tridactylidea
      • Dzhajloutshelloidea†
      • Regiatoidea†
      • Tridactyloidea
Arachnocephalus vestitus (Grylloidea)
Stenopelmatus fuscus (Stenopelmatoidea)
Tettigonia viridissima (Tettigonioidea)

Toy izao ny fanasokajiana anatiny ao amin' ny Ensifera izay mampiseho ny zafim-pilaharana sy ny fianakaviambe:

  • Ensifera
    • †Elcanidea
      • †Elcanoidea
      • †Permoraphidioidea
    • Gryllidea
    • †Oedischiidea
      • †Oedischioidea
      • †Triassomantoidea
      • †Xenopteroidea
    • Tettigoniidea
      • Hagloidea
      • †Phasmomimoidea
      • Rhaphidophoroidea
      • Schizodactyloidea
      • Stenopelmatoidea
      • Tettigonioidea
      • Fianakaviambe Incertae sedis
    • Zafim-pilaharana incertae sedis
      • †Gryllavoidea

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]