Hankany amin'ny vontoatiny

Oreosyce africana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Oreosyce africana dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Io no hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Oreosyce. Zavamaniry mpianika, teratany aty Afrika atsimon' i Sahara sy eto Madagasikara izy io, manomboka any Bioko sy Kamerona miankandrefana ka hatrany Etiôpia mankany avaratra-atsinanana ary ny Faritanin' i Limpopo any Afrika Atsimo any atsimo.

Atao hoe voatango na voantango ny anarany amin' ny teny malagasy, nefa tsy io ihany no zavamaniry atao amin' ny teny malagasy hoe "voatango" na "voantango" fa ao koa ny Cucumis sativus (kôkômbra) sy ny Citrullus lanatus (voanketsihetsy na voajabo na voazavo) ary ny ny Cucumis melo (voatangombazaha).

Indreto ny anarana hafa mety hiantsoana azy io ara-tsiansa:

  • Hymenosicyos Chiov. (1911)
  • Cucumis cecilii N.E.Br. (1906)
  • Cucumis membranifolius Hook.f. (1871)
  • Cucumis oreosyce H.Schaef. (2007)
  • Cucumis parvifolius Cogn. ex Scott Elliot (1891)
  • Cucumis subsericeus Hook.f. (1871)
  • Hymenosicyos bequaertii (De Wild.) Harms (1924)
  • Hymenosicyos membranifolius (Hook.f.) Chiov. (1911)
  • Hymenosicyos parviflorus (Cogn.) Harms (1923)
  • Hymenosicyos subsericeus (Hook.f.) Harms (1923)
  • Hymenosicyos triangularis (Cogn.) Harms (1923)
  • Hymenosicyos villosus (Cogn.) Harms (1923)
  • Oreosyce bequaertii De Wild. (1921)
  • Oreosyce holstii Cogn. ex Engl. (1895)
  • Oreosyce parvifolia Cogn. (1916)
  • Oreosyce subsericea (Hook.f.) A.Meeuse (1962)
  • Oreosyce triangularis Cogn. (1895)
  • Oreosyce villosa Cogn. (1916)
  • Peponia parviflora Cogn. (1895)
  • Peponium parviflorum (Cogn.) Engl. (1897)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]