Ôrdinasiôn' ny olona manambady ny mitovy fananahana aminy

Avy amin'i Wikipedia
I Eva Brunne, evekan' i Stockholm ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka, natao ôrdinasiôna tamin' ny taona 2009, eveka lesbiana voalohany eto an-tany.

Ny ôrdinasiônan' ny mpitondra fivavahana manambady ny mitovy fananahana aminy dia fanao iadian-kevitra ao anatin' ny antokom-pinoana kristianina sasany ankehitriny.

Mandrara ny fanokanana ny mpitondra fivavahana LGBT manao firaisana ara-nofo ny ankamaroan' ny antokom-pinoana kristiana satria mihevitra ny fitiavana ara-nofon' ny mitovy fananahana ho tsy mifanaraka amin' ny fotopampianaran' ny Baiboly izy ireo ary tsy mamela ireo sokajin' olona ireo hatao ôrdinasiôna noho izany antony izany ihany. Mihamaro anefa ny fiangonana mamela malalaka ny mpitondra fivavahana LGBT hatao ôrdinasiôna.

Ny Metropolitan Community Church (niforona tany Etazonia, kôngregasiônalista sady prôtestanta nohavaozina), fiangonana betsaka LGBT indrindra, dia nanokana ireo mpirotsaka ho mpitadrina LGBT ho amin' ny asa fanompoana hatramin' ny nananganana azy tamin' ny taona 1968. Tamin' ny taona 1972, ny United Church of Christ (nifirona tany Etazonia, manambatra ny fanao kôngregasiônalista, kalvinista, loterana ary anabaptista) no lasa antokom-pivavahana prôtestanta lehibe voalohany ao Etazonia nanokana mpitondra fivavahana pelaka ampahibemaso. Ny fiangonana hafa manaiky ny mpitondra fivavahana LGBT dia ireto:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]