Oranosy (andriamanitra rômana)

I Oranosy dia anisan' ny andriamanitry ny Lanitra voalohany indrindra ao amin' ny fedrà, ny teôlôjia, ny sary masina, ny literatiora rômana. Izy no fandikana mivantana amin' ny teny latina an' ilay andriamanitra grika Oranôsy. Tsara homarihina fa talohan' ny fandraisana io andriamanitra grika io, ny Rômana dia nanana andriamanitra lanitra antsoina hoe Kaelosy (latina: Caelus na Coelus, "lanitra").
Araka ny fedrà grika, i Oranosy dia zanak' i Gaia (grika: Γαῖα / Gaîa "Ttany") irery, araka ny voalazan' i Hesiôdôsy, na zanak' i Niksa (latina: Nox; grika: Νύξ / Núx "alina") irery, araka ny lovantsofina ôrfika. I Higinosy (Hyginus), mpanoratra rômana tamin' ny taonjato voalohany tal JK, dia nandray ireo angano ireo ka nanova ny anarana grika ho latina, ary nanao an' i Oranosy ho zanak' i Etera (latina: Æther; grika: Αἰθήρ / Aithḗr "fahazavan' ny Lanitra") sy i Hemera (latina: Hemera; grika: Ἡμέρα / Hêméra "andro").
Avy amin' ny firaisany amin' ny Tany (latina: Terra Mater na Tellus Mater), dia niteraka izy, anisan' izany ny andriamanibavy Ôpsa (latina: Ops), ny titàna Ôseanosy (latina: Oceanus; grika: Ὠκεανός / Ōkeanós) ary ny andriamanitra maro hafa, ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia i Satiorna.
Naverin' i Oranosy tany an-kibon-dreniny ny zanany, hany ka sosotra sy sempotra ilay vadiny izay nanome antsibe maranitra an' i Satiorna, mba hamositra ny rainy. Dia tanteraka izany. Ny ran' i Oranosy nifantsitsitra, izay nahazo an' i Gaia, dia nanohy niteraka zaza, ka teraka noho izany ny Foria (latina: Furies; grika: Ἐρινύες / Erinúes) mpanao valy faty, ny nimfa (andriamanibavin' ny natiora) ary ny zavamananaina goavambe (grika: Γίγαντες / Gígantes). Ny filahian' i Oranosy kosa dia natsipy tany an-dranomasina ka niteraka ny andriamanibavy Venosy. Nomena ny anaran' i Oranosy ny planeta Oranosy.