Opuntia ficus-indica

Ny Opuntia ficus-indica dia karazana raketa, ao amin' ny fianakaviana Cactaceae, izay famboly efa hatry ny ela faritra maina sy somary maina manerana izao tontolo izao. Io no raketa miparitaka indrindra sady hita indrindra eny amin' ny tsena. Izy io dia ambolena indrindra hahazoana ny voany sy ny "raviny" (izay tsy ravina raha ny tena marina) hatao anana na ho amin' ny fikendrena hafa. Voly tsara ho an' ny faritra maina ny raketa satria mamadika tsara ny rano ho biômasy. Opuntia ficus-indica no tena miely patrana amin' ny raketa novolena efa ela. Mora misafiotra ny karazana Opuntia, fa zo inoana fa tany afovoan' i Meksika, izay ahitana ny havany akaiky indrindra ara-pototarazo, ny fiavian' ny Opuntia ficus-indica.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Hazobotry na hazo madinika, izay mety hahatratra haavo 2 ka hatramin' ny 5 m, ny Opuntia ficus-indica, indraindray mihoatra izany raha tsara ny fepetra misy. Ampahany fisaka maro sy be nofony izay antsoina matetika hoe "ravin-draketa" (nefa tsy ravina) no mandrafitra azy sady milahatra ka mamorona sampantsampana. Rehefa mihabe taona io karazana raketa io dia mety ho lasa manana nofon-kazo sy vatan-kazo.
"Ravin-draketa"
[hanova | hanova ny fango]
Ny rantsan' ny Opuntia ficus-indica, izay matetika antsoina hoe "ravin-draketa", no taova ahafantarana indrindra ilay karazana. Maitso sy fisaka ary mibikan' atody na somary lavalava, amin' ny ankapobeny matevina sy be rano, izy ireo. Mametra ny vereza drano ny hoditr' izy ireo izay toa vahosotra savoka.
Amin' ity karazana ity dia misahana asa maro izay tokony hataon' ny ravin-javaniry ny "ravin-draketa": fôtôsentezy, fitehirizana rano, fitahirizana otrikaina, fitomboan' ny isam-pototra. Any amin' ny firenena maromaro dia malefaka ny "ravin-draketa" tanora ary atao sakafon' ny olona sakafo toy ny legioma.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Ny tena ravin' ny raketa dia tsy misy afa-tsy amin' ny fahatanorany. Izy ireo dia kely, miendrika varingarina somary marani-doha, tena fohy ny androm-piainany, ary mianjera haingana. Io hakelin' ny ravina io dia vokatry ny fampifanarahany ny endriny amin' ny haintany, satria mametra ny hatsembohany izany.
Tsilo sy volon-draketa
[hanova | hanova ny fango]Misy faritra manokana mampiavaka ny karazana ao amin' ny fianakaviana Cactaceae ny eny ambonin' ny "ravin-draketa", faritra izay afaka mamokatra tsilo, "volon-draketa", voniny, ary "ravin-draketa" vaovao. Matetika no tsy misy na vitsy tsilo lehibe ny Opuntia ficus-indica ambolena. Na izany aza dia hita eny ihany ny volon-draketa izay volovolo na velory bitika, mavo na manopy volontany, izay mora miala sy miteraka famaivay mafy amin' ny hoditry ny olona na ny biby sasany ipetahany. Manana asa maro ny tsilo: fiarovana amin' ny biby mpihinana zavamaniry sy fampihenana ny fahazoana tara-masoandro ary fanangonana ny hamandoana avy amin' ny rivotra.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Lehibe sy mitoka-monina ary miharihary ny vonin' ny Opuntia ficus-indica. Matetika izy ireo dia miseho eny amin' ny tendron' ny "ravin-draketa" efa lehibe. Miovaova ny lokony: mavo na mavo manopy volomboasary, indraindray mena arakaraka ny ovan-karazany. Manana felambony maro sy lahimbony maro ary fihanary tsiry nofosana ny vony. Ataon' ny bibikely, indrindraindrindra ny tantely, ny famidrana vovobony.
Voa sy vihim-boa
[hanova | hanova ny fango]

Be nofony ny voan' ny Opuntia ficus-indica. Mitovy amin' ny atody na amin' ny poara ny endriny. Miovaova arakaraka ny ovan-karazana ny lokony: maitso, mavo, volom-boasary, mena, na volomparasy. Be ranony sy mamy ary misy vihim-boa mafy sy maro ny nofom-boany. Mbola misy volon-draketa koa manodidina ny voa, ka matetika mila esorina izy ireo alohan' ny hihinanana ny voan-draketa. Manankarena rano, siramamy, vitaminina C, tsiraka ary fandoko antiôksida ny voany.
Maro sy boribory fisaka ary tena mafy ny vihim-boa. Matevina ny fonom-bihin' izy ireo ka ahafahany manohitra ny fahamainana sy miandry fotoana ela hitsimohana.
Faka
[hanova | hanova ny fango]Marivo nefa tena misandrahaka marindrano amin' ny faritra midadasika ny fakan' ny Opuntia ficus-indica. Io fipetraky ny faka io no ahafahany mitroka haingana ny rano amin' ny vanim-potoana fohy irotsahan' ny orana izay mampiavaka ny faritra maina. Afaka mamokatra fakany vaovao avy amin' ny "ravin-draketa" latsaka na napetraka amin' ny tany koa ity zavamaniry ity, izay manamora ny fihamaroany.