One Piece
One Piece (amin'ny tenny japoney ワンピース, Wan Pīsu?) dia shōnen manga nosoratan'i Eiichirō Oda. Nanomboka navoaka tamin'ny 22 jolay 1997 tao amin'ny gazetiboky isan-kerinandro Weekly Shōnen Jump izy, ary nakambana ho boky hoe "tankobon" nanomboka tamin'ny 24 desambra 1997.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ao amin'ny tontolo noforonina rakotra ranomasina, izay andrandrain'ny mpandroba ranomasina ny vanim-potoan'ny fahafahana sy fahasahiana, fantatra amin'ny anarana hoe "ny fotoanan'ny voninahitry ny fandroban-dranomasina, no itrangan'ny tantaran'i One Piece.
Io vanim-potoana io dia teraka avy amin'ny teny farany navelan'i Gol D. Roger, mpanjakan'ny mpandroba ranomasina, talohan'ny fahafatesany.
Nanambara tamin'izao tontolo izao i Gol D. Roger fa afaka mitady ilay harena rehetra nangoniny nandritra ny androm-pianany ny olona, dia ilay antsoina hoe "One Piece".