Ombilahy

Ny ombilahy no lahy amin' ny omby (Bos taurus), indrindra ny efa lehibe sy ny mbola tsy novosirina ka mbola afaka miteraka, biby mampinono sady biby fiompy, biby mandinika, ao amin' ny fianakaviana Bovidae, izay mazàna manana tandroka roa eo amin' ny handriny. Ny vavy amin' io karazana io dia ny ombivavy.

Noho izy io matanjaka kokoa sy mahery setra kokoa noho ny ombivavy, dia efa ela no nanjary marika manan-danja tamin' ny kolontsaina sy ny fivavahana maro izy, anisan' izany ny fampiasana azy amin' ny fanaovana fanatitra sy sorona. Manana anjara toerana lehibe ny ombilahy eo amin' ny fiompiana amokarana hena sy ronono, ary koa amin' ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina isan-karazany, toy ny tolon' omby (savika) sy ny fifaninanana mitaingina omby.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Ombilahy tanimanga ka ny tompony ihany no mitrena.