Olik' aratra
Fiseho

Ny olik' aratra dia lalana mihidy ahafahan' ny rianaratra mikoriana eo anelanelan' ny singa maromaro mifampitohy. Izy io dia ahitana singa tena ilaina toy ny loharanom-angovo (vatoaratra, bateria, sns), mpampita aratra (tariby) ary mpandray aratra (takamoa, môtera, tohitra, sns.). Ny olik' aratra andiana singa elektrika na elektrônika tsotra na saro-drafitra izay andalovan' ny rianaratra.