Oldenlandia corymbosa

Ny Oldenlandia corymbosa dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Rubiaceae. Antsoina hoe ahibitsika izy io amin' ny teny malagasy. Ampiasaina any Sina sy India izy io mba hitsaboana ny maso marary, fanalana kankana sy katsentsitra an-tsinay maro hafa, itsaboana ny rohana, fanala poizina, manampy amin' ny fandevonan-kanina, mampitombo ny amany, mampandrehoka, iadiana amin' ny tazo sy amin' ny tazovony, manamora ny fahaterahan' ny zaza ary fanafody vavony, fa ny fakany kosa dia voalaza fa manala kankana.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Zavamaniry ahitra manana rantsana miakatra na mitsangana izay misy zoro efatra sady maniry isan-taona ny Oldenlandia corymbosa. Mifanipaka ny ravin' ny Oldenlandia corymbosa ary mety tsy manana tangozany na kely tangozany. Izy ireo dia manana endrika salavalava, ary mety mahagtratra halava 1,5 hatramin' ny 2,5 sm sy sakany 4 hatramin' ny 7 mm. Miloko manja mirefy 0,2 mm ny vihim-boany.