Hankany amin'ny vontoatiny

Oendata (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Hurons de la Jeune Lorette, sary nataon' i John Richard Coke Smyth (1808-1882)

Ny Oendata na Oiandôta na Horôna dia vahoaka amerindiana mampiasa fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny irôkôiana izay avy any atsimon' i Ontario (Kanada). Na dia efa niorim-ponenana tany aza izy ireo tamin' ny fahatongavan' ny Eorôpeana tamin' ny taonjato faha-17, dia hita any Québec, any Oklahoma, any Kansas, ary any Michigan izao ny ankamaroany.

Tamin' ny fotoana nifankahafantaran' ny Frantsay sy ny Oendata voalohany tamin' ny taona 1609, dia nisy fandaminana ho fikambanana fokom-pirenena dimy miavaka ny Oendata, araka ny voalazan' ny Eorôpeana voalohany nifandray tamin' izy ireo: ny Atignawoantana (Attignawantan), ny Atignaenôngnehaka (Attignaenongnehac), ny Arendarônôna (Arendaronon), ny Tahôntaenrata (Tahontaenrat) ary ny Atarônkrônôna (Ataronchronons).

Tamin' ny fotoana nahatongavan' ny Frantsay tany amin' io faritra io dia niady tamin' ny Irôkoà ny Oendata. Ny firaisankin' ny Frantsay sy ny Oendata sy ny firaisankin' ny Irôkoà tamin' ny Neerlandey (izay nandripaka ny Adirôndaka (Adirondacks)), ary avy eo tamin' ny Anglisy, dia nampiditra an' io ady io tamin' ny an' ny samy firenena mpanjanaka. Nampitombo ny fahafatesana nadritra ny ady ny basy sy ny antsy vita amin' ny tsỳ, ary nanomboka tamin' ny taona 1649 dia namono ny Oendats ny Irôkoà. Be dia be ny babo azon' izy ireo: herintaona taorian' izay, araka ny fanaon' ny Irôkoà, dia natsangana tamin' ny alalan' ny fanambadian' ny mpikambana azy ireo ao amin' ny fokon' ny Irôkoà ny sasany ary nampijaliana sy novonoina ny hafa.

Nisy andiana Oendata katôlika 300 teo ho eo nialokaloka tany akaikin' ny tanànan' i Québec, taorian' ny nanaparitahan' ny Irôkoà ny vahoakany. Ny taranak' izy ireo dia mipetraka ao amin' ny toeram-pitahirizana olona atao hoe Wendake Indian Reservation, izay antsoina koa hoe "Huron Village", ao akaikin' i Loretteville. Nandositra niankandrefana ny antoko iray hafa, dia ny Oiandôta (Wyandots) ankehitriny, ka nahita fialofana tany amin' ny fanjakan' i Ohio sy tany amin' ny fanjakan' i Michigan ankehitriny.

Tamin' ny faran' ny taonjato faha-18, ny Oendata tandrefana dia nahazo toerana manan-danja ara-panoharana amin' ny maha-"dadatoa" an' ny Kônfederasiônan' ny Wabash izay niady tany Etazonia tamin' ny taompolo 1790. Ny taranaky ny Oendata tandrefana dia nizara ho vondrona telo: ny Oendata izay nijanona tany Michigan sy tany Ontario (ny vahoaka Oiandôta any Anderdon), ny vondrona iray hafa nentina nankany Kansas, ary ny vondrona fahatelo, izay lehibe indrindra, ao Oklahoma.

Katôlika sy miteny frantsay ny ankamaroan' ny Oendata 3 000 mipetraka any Québec, na dia misy aza ny hetsika manohana ny fianarana sy ny fampiasana ny fiteny oendata amin' izao fotoana izao. Nalaza hatry ny ela tamin' ny famokarany asa tanana sy zavatra nentim-paharazana ny Oendata ao Loretteville.