Nymphaeaceae
Ny Nymphaeaceae dia fianakavian-javamaniry mamony, ao amin' ny filaharana Nymphaeales. Ahitra miaina anaty rano sady manana rizôma izy ireo ary hita any amin' ny faritra manana toetany antonony sy toetany mafana eran' izao tontolo izao.


Ity fianakaviana ity dia misy karazana fantatra 70 eo ho eo, izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana 5. Ny Nymphaeaceae dia manorina ny fakany amin' ny tany anaty rano, manana ravina sy vony mitsingevana na miakatra eny ambonin' ny rano. Ny raviny dia somary vory (miendrika atody)ary miendrika fo ao amin' ny vondron-karazana Barclaya. Ny ravina ao amin' ny Nymphaea sy ny Nuphar dia boribory, sady misy dimbana mitanamasoandro, fa boribory tsara ao amin' ny Victoria sy ny Euryale.
Antokon-javamaniry
[hanova | hanova ny fango]Dimy fotsiny ny antokon-javamaniry mbola velona ao amin' ny fianakaviana Nymphaeaceae, dia ireto:
Antoko fôsily
[hanova | hanova ny fango]- †Allenbya
- †Barclayopsis
- †Jaguariba
- †Notonuphar
- †Nuphaea
- †Microvictoria
- †Monetianthus
- †Susiea
Antoko misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]
Ny antoko Nymphaea, izay ahitana ny karazana Nymphaea lotus L., sy Nymphaea minuta Landon, Edwards & Nozaic, ary Nymphaea nouchali Burm.f., no fantatra fa misy eto Madagasikara.