Hankany amin'ny vontoatiny

Ny Fanagasiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny boky mitondra ny lohateny hoe Ny Fanagasiana dia asasoratra nataon' i Emilson Daniel Andriamalala izay iresahany momba ny fanagasiana, navoaka tamin' ny taona 1974. Amin' ity asasoratra ity dia namaritra ny fanagasiana ho fampifanarahana amin' ny toetra sy fisainana malagasy izy. Ity asasoratra ity dia mamaritra lohahevitra telo lehibe, dia ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fanagasiana ny toe-karena ary ny fanagasiana ny toe-tsaina. Amin' ireo fomba fijery ireo no iheveran' i Andriamalala ny fanagasiana ho fitaovana hanamafisana ny maha izy ny firenena malagasy sy hampiroboroboana ny fampandrosoana mirindra, manaja ny fomban-drazana sy ny soatoavina mampiavaka an' i Madagasikara.

Ny mpanoratra

[hanova | hanova ny fango]

I Emilson Daniel Andriamalala dia mpanoratra, pôeta, mpampianatra ary akademisiana malagasy. Teraka tamin' ny 22 Ôktôbra 1916 tao Toamasina i ED Andriamalala ary maty tamin' ny 25 Mey 1979 tao Itaosy. Tany Toamasina no nandaniany ny fahazazany, niaraka amin' ny raibe sy renibeny. Ny ray aman-dreniny kosa dia nonina tao Itaosy. Anisan' ny olo-malaza amin' ny literatiora malagasy i ED Andriamalala. Nitrandraka lohahevitra toy ny maha Malagasy, ny kolontsaina malagasy ary ny tantaran' ny fireneny malagasy ny asasorany.

Votoatiny

[hanova | hanova ny fango]

Izao no lazain' i Emilson Daniel Andriamalala hamaritany ny fanagasiana:

"Ny atao hoe Fanagasiana dia fanandratana izay maha-malagasy, ary ny fanandratana dia tsy fanafoanana ny zavatra hafa fa fametrahana zavatra sasany eo ambonin' ny zavatra hafa rehetra"[1][2].

Fanagasiana ny fampianarana

[hanova | hanova ny fango]

Manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fampiasana ny teny malagasy amin’ ny rafi-pampianarana Andriamalala, mba hisian' ny fifankahazoana sy fanamorana ny fianaran' ny mpianatra. Ny fanagasiana ny fampianarana dia mikendry ny hanofana olom-pirenena mahay, sy miorina amin' ny maha malagasy azy, ary manome vintana mitovy ho an' ny Malagasy rehetra eo amin' ny asa.

Hoy indrindra izy:

"Ny fanagasiana ny fampianarana dia ilaina mba ahafahana mampitovy lenta ny zaza Malagasy rehetra. Ho mora voaray manko ny lesona rehefa amin' ny teny malagasy. Ho vita ihany koa ny hamokatra olom-banona feno: manam-pahaizana, mahay miaina sy mijoro amin' ny maha-Malagasy. Dia hanana vintana sahala ny Malagasy entina miatrika ny fiainana.[3]"

Fanagasiana ny toe-karena

[hanova | hanova ny fango]

Ny fanagasiana ny toe-karena dia manohana ny fampiasana ny loharanon-karena eto Madagasikara sy ny fahaleovantena ara-toe-karena, izay hampihena ny fiankinan-doha amin' ny firenena any ivelany. Anisan' izany ny fanomezana lanjany ny vokatra eto an-toerana sy ny fanatsarana hatrany ny kalitaon' izany vokatra izany.

Izao no nolazainy momba izany:

"Ny fanagasiana ny toe-karena indray dia mifototra amin' ny fampiasana ny kely ananan' ny tena sy ny fiezahana tsy hiankina amin' ny sasany. Antoka iray lehibe ahatongavana amin' izany ny fanindrahindrana ny vita malagasy sy ny fanatsarana hatrany ny vokatra.[4]"

Fanagasiana ny toe-tsaina

[hanova | hanova ny fango]

Manamafy ny tokony hampiroboroboana ny soatoavina malagasy eo amin' ny fiainana andavanandro Andriamalala. Mampitandrina izy amin' ny fakana tahaka an-jambany ny fomba fiaina vahiny, ka nilazana fa ny tena fandrosoana dia miankina amin' ny fanajana ny kolontsain' ny tena fa tsy ny fakana tahaa ny avy any ivelany.

Hoy i ED Andriamalala:

"Ny fanagasiana ny toe-tsaina sy fomba fisaina koa dia tsy azo atao ambanin-javatra. Trandrahina izay ampiharana ny soatoavina malagasy eo amin' ny fiainana an-davanandro. Ho fanampin' izany, tokony tsy haka tahaka be fahatany ny ribam-bazaha ny Malagasy fa tsy izany no atao hoe fandrosoana[5]."

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Emilson Daniel Andriamalala, Ny Fanagasiana, Edition Mixte, Antananarivo, 1974, p. 6.
  2. "Fanagasiana" in tenymalagasy.org
  3. "Ny Fanagasiana Archived Febroary 24, 2024 at the Wayback Machine", Blaogin' i Voniary, fampivoaran-tena sy maha Malagasy,
  4. "Ny Fanagasiana Archived Janoary 21, 2025 at the Wayback Machine", Blaogin' i Voniary, fampivoaran-tena sy maha Malagasy,
  5. "Ny Fanagasiana Archived Febroary 24, 2024 at the Wayback Machine", Blaogin' i Voniary, fampivoaran-tena sy maha Malagasy,