Hankany amin'ny vontoatiny

Nosy Ve

Avy amin'i Wikipedia
Nosy Ve

I Nosy Ve dia nosy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, telo kilômetatra sy sasany miala ny toeram-pialan-tsasatra kely amoron-dranomasina ao Anakao, any amin' ny faritra avaratry ny morontsiraka Mahafaly.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
Nosy Ve

Manana halava 4,5 km sy sakany 1,8 km. ny vatohara ao Nosy Ve. Izy io dia manohana ny nosim-pasika manana halava 1 200 m sy sakany 500 m. Ny nosim-pasika iray hafa kely kokoa dia antsoina hoe Napake.

Toa an' i Ianantsony (na Saint-Augustin), i Nosy Ve dia nataon' ny jiolahin-tsambo fialofana, angamba tamin' ny taonjato faha-17, ary avy ataon' ny' ny mpivarotra fialofana koa. Taty aoriana dia lasa toerana nisy ny fitantanana frantsay voalohany teo amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara io nosy iva io. Nisy mpiandraikitra frantsay niorim-ponenana tao tamin' ny taonjato faha-19 taorian' ny mpivarotra frantsay. Na dia tsy afa-nipetraka tao aza izy ireo (tsy misy ranomamy sy tsy misy hazo lehibe, lakana ihany no afaka mitody eo) dia nahita ny fahatongavan' ny mpandroba ka nisakana ny mety ho fanafihan' izy ireo ny olona izay nifidy an' i Nosy Ve. Tamin' ny taona 1895 dia nifindra hiorim-ponenana tao Toliara ireo mponina ireo.

Lakana eo amin' ny torapasik' i Nosy Ve

Amin’ izao fotoana izao i Nosy Ve dia avela ho an’ ny mpanjono sy ny mpizaha tany izay afaka mitoetra eo amin’ ity nosy mahazo rivotra avy amin' ny Tsiokantimo ity mandritra ny ora vitsivitsy. Ny sisa tavela amin' ny fiorenam-ponenan' ny Frantsay teo dia tsy misy firy: dobo namboarina sy fasana vitsivitsy.

Zavamananaina

[hanova | hanova ny fango]
Phaethon rubricauda
Phaethon rubricauda

Anisan" ny toeram-piterahan' ny vorona Phaethon rubricauda i Nosy Ve. Ny zavamaniry hita ao dia alan-kazobotry sy kirihitra mahazaka haintany sy maniry amin' ny fasiky ny haran-dranomasina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • René Battistini, 1964.- L'Extrême-Sud de Madagascar, étude géomorphologique. Paris, Cujas, 637 p.
  • Olivier Langrand, 1981.- Nidification du Paille-en-queue à queue rouge (Phaeton rubricauda) sur le territoire malgache, Revue Française d'Ornithologie, 51 : 338-339.


Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]