Hankany amin'ny vontoatiny

Nosy Satrana

Avy amin'i Wikipedia

I Nosy Satrana dia nosy kely tsy misy olona monina, any atsimon' Anakao, izay azo aleha an-tongotra rehefa midina ny ranomasina. Indraindray dia tonga eny miaraka amin' ny omby ny mpiompy avy ety Anakao[1][2].

Jeôgrafia sy tontolo iainana

[hanova | hanova ny fango]

I Nosy Satrana dia eo amin' ny 7 km any atsimo andrefan' ny tanànan' i Anakao any atsimo andrefan' i Madagasikara[1]. Mirefy 1,3 km² eo ho eo izy io. Na dia kely aza izy io, dia voaaron' ny haran-dranomasina sady malaza noho ny zavamananaina an-dranomasina miavaka any aminy[3][4]. Manana tora-pasika fotsy sy ny riakasia mangamanga ilay nosy. Any anaty rano dia ahitana andohalambo sy tonelina voajanahary ary lava-bato, izay ahitana karazan-javamaniry an-dranomasina[5].

Ny faritra sasany amin' io nosy io dia feno potik' atodin' ny vorompatrana efa lany tamingana Aepyornis (vorona goavambe lany tamingana efa ho 1 000 taona lasa izay)[6][7]. Toerana mety tsara ho an' ireo izay maniry ny hitsidika zavaboary tsy dia fantatra loatra any atsimo andrefan' i Madagasikara i Nosy Satrana[1][2][3].

Ny anarana hoe "Nosy Satrana" dia avy amin' ny zavamaniry satrana eo an-toerana (Bismarckia nobilis), izay betsaka ao amin' ilay nosy[8].

Nosy tsy misy mponina izy io, vano no matetika betsaka eny, ary azo aleha an-tongotra rehefa midina ny rano, ary afaka miampita ny omby sy ny mpiandry azy ireo mba hiraoka ahitra[1]. Ny tany dia misy potika fosily izay mampahatsiahy ny atodin' ny vorompatra (Aepyornis maximus), sisa tavela tamin' ny zava-nisy tamin' ny lasa efa lavitra[1][9]. Na dia tsy misy olombelona monina aza ilay nosy, dia ahitana fasana amin’ ny toerana sasany izay manaporofo ny fisian' ny olona nonina tao tamin' ny andro taloha[2][10][11].

Hetsika atao ao amin' ilay nosy

[hanova | hanova ny fango]

I Nosy Satrana dia toerana tsara fanaovana amin' ny snorkeling sy antsitrika. Misy matetika ny fitsangatsanganana karakarain' ny mpitari-dalana na trano fandraisam-bahiny eo an-toerana, toa ny Lalandaka, izay manolotra fitsangatsanganana amin' ny lakana mandeha amin' ny môtera na sambo haingam-pandeha[12][13]. Ny firafitry ny nosy dia mahatonga azy ho toerana tsara fanaovana kitesurfing [14][15].

Ny fikambanana Fanamby, miara-miasa amin’ ny fanjakana malagasy, dia manohana ny fandaharan’ asa momba ny fiarovana ny zavaboary ao amin’ ny vondronosy[16][17].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1 2 3 4 5 "Nosy Satrana", MadaCamp
  2. 1 2 3 "Nosy Satrana", www.petitfute.co.uk
  3. 1 2 "Anakao: A unique Malagasy tourist destination", www.madagascartravel.com
  4. "Madagascar 2020, part 21 (Anakao, Nosy Ve)", www.svudapodji.com
  5. "Visiting Nosy Satrana near Anakao", ndaoitravel.com
  6. "Ancient Eggshell Fragments Crack Giant Elephant Bird’s Life Secrets", news.climate.columbia.edu
  7. "1,000-Year-Old Fossil Eggshells Provide Rare Glimpse into Evolution of Madagascar’s Elephant Birds",
  8. "Bismarckia nobilis", www.palmpedia.net
  9. "The Most Beautiful Beaches in Madagascar", www.safari-memories.comom
  10. "Anakao - Madagascar", madagascar-hotels-online.com
  11. "Anakao", tourismer.mg
  12. "Nosy Satrana, sensation de bout du monde", lalandaka.com
  13. "Activités", www.anakaooceanlodge.com
  14. "Anakao - Camaleonte", www.spots4kite.com
  15. "Anakao Madagascar – Explorer guide", cozywilderness.com
  16. "Qui Sommes-Nous ?", fanamby.wordpress.com
  17. "Fanamby", www.programmeppi.org