Nosy Hara
Fiseho

Ny Nosy Hara dia nosim-batosokay, tsy misy mponina, ao amin' ny Faritra Diana any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara. Io no fonenan' ny tanalahy bitika indrindra fantatra (Brookesia micra). Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia anisan’ ny faritra arovana an-dranomasina i Nosy Hara.
