Nosin' afotroa
Fiseho

Ny nosin' afotroa na nosim-bolokano dia vokatry ny fipoahana misesin' ny afotroa na volkano any anaty ranomasina tany am-boalohany, izay miseho ety ambonin' ny haabon' ny ranomasina ny tampony ka lasa nosy. Rehefa tapitra ny tsingerin' ny fipoahana ary tsy dia lehibe loatra ilay volkano, dia mety hanjavona ilay nosy noho ny fietreny (noho ny fihamangatsiaky ny bolambato na litôsfera) sy noho ny asan' ny ranomasina, aorian' ny fotoana miovaova (volana vitsivitsy hatramin' ny arivo taona maro) arakaraka ny halehibeny.