Nifinakanga

Ny nifinakanga dia karazana zavamaniry ahitra mônôkôtiledôna ao amin' ny fianakaviana Commelinaceae, maniry eto Madagasikara, ampiasaina amin' ny raokandro sy fombafomba ara-pivavahana sasany. Ny anarany ara-tsiansa dia Commelina madagascarica. Ny anarany feno marina (miaraka amin' ny mpanoratra) dia Commelina madagascarica C.B.Clarke.
Famariparitana azy
[hanova | hanova ny fango]
Ny famaritana an' io karazana io dia nataon' i Charles Baron Clarke izay naoratra momba ny Commelinaceae tamin' ny famoahan-dahatsoratra teo ambany fitarihan' i Alphonse sy Casimir de Candolle. Manga marevaka ny voniny, tery ny raviny, ary midoroboka ny tahony. Ny fakany dia be tsiraka, nofo ary miendrika ampela fanenomana. Ny fakany sy sy ny taranjany dia tena mahatohitra afo.

Ny Commelina madagascarica dia avy eto Madagasikara. Iray amin' ny zavamaniry mahazatra indrindra hita any amin' ny kijana misarim-patrana vokatry fandoroana, eny amin' ny tangoron-tendrombohitra Isalo. Amin' ny ankapobeny ity zavamaniry ity dia fahita any amin' ny kijana maina sy faritra be vato amin' ny haambo eo anelanelan' ny 1 500 sy 2 000 m.
Fampiasana azy nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]Ity zavamaniry ity dia ampiasaina amin' ny fanalan-jaza sy maha betsaka ny rononon-drany, sady ampiasaina amin' ny fitsaboana ny aretin' ny atin' ny hosi-maso sy ny mony.
Ampiasaina amin' ny fombafomba fanao mandritra ny joro (fomba itokavana ny razana mba hahazoana vokatra betsaka sady anaovana sorona omby), manodidina ny farihin' i Alaotra. Ny fikambanana malagasy miaro ny zon' ny fanalan-jaza atao hoe Nifin'akanga dia naka ny anarany avy amin' ny an' io zavamaniry io, satria matetika ampiasaina amin' ny fanalan-jaza tsy ara-dalàna ity zavamaniry ity.