Hankany amin'ny vontoatiny

Nerium oleander

Avy amin'i Wikipedia
Nerium oleander

Ny Nerium oleander dia zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae. Io no hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Nerium. Hazobotry na hazo madinika mandravina mandavan-taona izy io. Ity karazana ity dia maniy hoazy any Eorôpa Atsimo sy any Afrika Avaratra, ary any amn' ny faritra atsimo-andrefana ka hatrany atsinana amin' i Azia, izay aniriany amin' ny toetany antonony mafana misy amin' ny ririnina mangatsiaka: toetany mediteraneana na sobtrôpikaly mando. Manomboka any Marôka sy Pôrtogaly ka hatrany Japôna, mamakivaky ny Atsinanana Afovoany sy ny tapany atsimo amin' i Himalaya ny faritra voajanahariny aniriany.

Nerium oleander

Miely patrana any amin' ny faritra manodidina an' i Mediteranea ity zavamaniry fanao haingo ity, satria mahazaka ny hain-tany sy ny fanetezana, dia atao fefy any amin' ny zaridaina na eny akaikin' ny tranom-panjakana. Iray amin' ny zavamaniry maniry hoazy sy fanao haingo indrindra fahita maso sy mahazatra indrindra any amin' ny manodidina an' i Mediteranea izy io. Ambolena any amin’ ny faritra manana toetanin-dranomasina misy ririnina malefaka koa anefa izy io.

Ny faritra rehetra amin' ilay zavamaniry dia misy ôleandrinina, izay mety hahafaty raha voatelina araka ny fatrany sy ny fahasalaman' ny tsirairay. Miteraka fandoavana ny raviny maromaro voatelina manta, avy eo dia mety hitarika amin' ny fitepo miadan' ny fo sy fahavoazana hafa ao anaty fo. Tsy miteraka famantarana misy poizina amin' ny olon-dehibe salama ny voniny na raviny tsakoina. Raha masaka ny andrahoina dia matetika tsy misy poizina.

Tena mahatohitra fitsaboana sady mafy ny fanapoizinana: aretim-po lehibe, fandoavana, fanaintainan' ny kibo, ary fahafatesana noho ny fijanonan' ny fo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]