Nelson Mandela
Nelson Mandela | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Nelson Mandela | ||
Teraka | 18 Jolay 1918 | ||
Maty | 5 Desambra 2013 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Afrika Atsimo | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Nelson Rolihlahla Mandela, na i Madiba, araka ny anarana ara-poko, dia mpitondra fanjakana afrikanina tatsimo, teraka tamin' ny 18 Jolay 1918 tao Mvezo (faritan' i Cape) ary maty tamin' ny 5 Desambra 2013 tao Johannesburg (Gauteng), Anisan' ny mpitarika manan-tantara tamin' ny ady amin' ny pôlitikan' ny fanavakavaham-bolon-koditra (Apartheid) izy talohan' ny naha filohan' ny Repoblikan' i Afrika Atsimo azy nanomboka tamin' ny taona 1994 ka hatramin' ny taona 1999, taorian' ny fifidianana manerana ny firenena izay sambany tsy nisy fanavakavahana teo amin' ny tantaran' ilay firenena.
Nanatevin-daharana ny antoko Kôngresy Nasiônaly Afrikana (anglisy: African National Congress na ANC) tamin' ny taona 1943 i Nelson Mandela, izay niady amin' ny fanjakazakan' ny fotsy hoditra vitsy anisa sy amin' ny fanavakavaham-bolon-koditra napetrak' izy ireo. Rehefa lasa mpisolovava izy dia nandray anjara tamin' ny tolona tsy misy herisetra nanoherana ny lalànan' ny Apartheid izay napetraky ny governemantan' ny Antoko Nasiônaly (afrikansa: Nationale Party) nanomboka tamin' ny taona 1948. Voarara ny ANC tamin' ny taona 1960, ary noho ny tsy fahombiazan' ny tolona am-pilaminana izay tsy nanome vokatra azo tsapain-tanana, dia nanangana sy nitarika ny elatra miaramilan' ny ANC, atao hoe Umkhonto we Sizwe, i Mandela tamin' ny taona 1961, izay nanao asa fanimbana ny fananam-panjakana sy miaramila. Tamin' ny 5 Aogositra 1962 dia nosamborin' ny pôlisy afrikana tatsimo izy tamin' ny alalan' ny toromarika avy amin' ny CIA, avy eo dia voaheloka higadra sy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny nandritra ny fitsarana tao Rivonia. Nanomboka teo dia nanjary famantarana ho an' ny ady ho an' ny fampitovian-jo ara-bolon-koditra izy ary nahazo fanohanana iraisam-pirenena izay tsy nitsaha-nitombo.
Taorian' ny fanagadrana azy nandritra ny fito amby roapolo taona tao anatin' ny toe-javatra sarotra ary rehefa tsy nanaiky ny havotsotra mba hifanaraka amin' ny faharesen-dahany, dia navoaka ny fonja i Mandela tamin' ny 11 Febroary 1990. Nahazo aingam-panahy avy amin' ny fisainana Ubuntu izay nitaizana azy izy ka nanohana ny fampihavanana sy ny fifampiraharahana amin' ny governemantan' ny filoha Frederik de Klerk. Tamin' ny taona 1993 izy sy ity farany dia nahazo ny Loka Nobel momba ny fandriam-pahalemana noho ny fampitsaharana am-pilaminana ny Apartheid sy ny fametrahana ny fototra hiorenan' i Afrika Atsimo vaovao miaina anaty demôkrasia.
Taorian' ny tetezamita sarotra izay niezahany sy i Frederik de Klerk amin' ny tsy hisian' ny ady an-trano teo amin' ny mpanohana ny Apartheid sy ny ANC sy ny Inkhata nahitana Zolo betsaka, dia i Nelson Mandela no lany ho filoha mainty hoditra voalohany tao Afrika Atsimo tamin' ny taona 1994. Nampanjaka ny pôlitikan' ny fampihavanam-pirenena teo amin' ny mainty hoditra sy ny fotsy hoditra izy; niady amin' ny tsy fitoviana ara-toekarena, nefa manao an-tsirambina ny ady amin' ny SIDA, izay niroborobo tao Afrika Atsimo. Taorian' ny fe-potoam-piasana tokana dia nitsahatra amin' ny fanaovana pôlitika mavitrika izy, nefa nanohy nanohana ampahibemaso ny ANC sady nanameloka ny fihoaram-pefy nisy tao amin' ity antoko ity.
Taty aoriana dia nandray anjara tao anatin' ny fikambanana maro miady amin' ny fahantrana na miady amin' ny SIDA izy ka nijanona ho olo-malaza eken' izao tontolo izao ho mpiaro ny zon' olombelona. Izy no rain' i Afrika Atsimo maro foko sy demôkratika tanteraka, i Afrika Atsio izay atao hoe "firenena avana", na dia iharan' ny tsy fitoviana ara-toekarena sy ny disadisa ara-piarahamonna ary ny fiforetana anatiny isaky ny vondron' olona aza ilay firenena.
Ny fiainany manokana
[hanova | hanova ny fango]I Gadla Henry Mphakanyiswa no rainy. Ny vadiny dia Evelyn Mase, Winnie Madikizela-Mandela, Graça Machel. Ny zanany dia Makgatho Mandela, Makaziwe Mandela, Zenani Mandela-Dlamini, Thembekile Mandela, Zindzi Mandela.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Janoary 20, 2015 at the Wayback Machine