Hankany amin'ny vontoatiny

Nectarinia

Avy amin'i Wikipedia
Nectarinia famosa

Ny Nectarinia vondron-karazana voronkely (Passeriformes) trôpikaly antsoina hoe soimanga ao amin' ny fianakaviana Nectariniidae.

Misy karazana 80 eo ho eo izy io teo aloha, saingy nozaraina, nefa vao haingana ny mpahay taksonômia no nizara ny Nectarinia ho vondron-karazana valo izay heverina ho miavaka amin' ny Nectarinia: Leptocoma, Anabathmis, Chalcomitra, Cinnyris, Cyanomitra, Dreptes, Anthobaphes, ary Drepanorhynchus. Tsy misy afa-tsy karazana enina izao no sisa ao. Ny ankamaroan' ny karazana dia napetraka ao amin' ny vondron-karazana Cinnyris.

Nectarinia sp.

Indreto ny karazana enina ao amin' ny Nectarinia araka ny fanasokajiana filamatra (versiona 7.1, 2017) nataon' ny International Ornithological Congress:

  • Nectarinia bocagii
  • Nectarinia purpureiventris
  • Nectarinia tacazze
  • Nectarinia kilimensis
  • Nectarinia famosa
  • Nectarinia johnstoni

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]