Hankany amin'ny vontoatiny

Rabarioelina Ndriana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ndriana Rabarioelina)
Rabarioelina Ndriana
Ankapobeny
AnaranaRabarioelina Ndriana
Teraka1963
Toerana-
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpahay tantara
Asa hafaMpikaroka

Teôlôjiana

Fiainana manokana

Rabarioelina Ndriana dia teôlôjiana prôtestanta malagasy, ao amin' ny fokon' andriana merina, teraka tamin' ny taona 1963, avy ao amin' ny vohitr' andriana Ambohimalaza, ao Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara. Voahosotra sy nohamasinina ho Mpanjakan' Imerina sy i Madagasikara tamin' ny taona 2015 izy ary miasa amin' ny tokony hamerenana ny Fanjakan' i Madagasikara indray[1][2][3].

Indreto koa ny lafin-javatra ahafantarana azy: mpahay tantara sy teôlôjiana, nianatra fiteny maro (anisan' izany ny teny hebreo). Manana maripahaizana dôktôrà roa momba ny teôlôjia tany Etazonia. Nianatra nitendry gitara klasika koa izy[4]. Zanaky ny profesora sy dokotera Lala Rabarioelina, izay nodimandry tamin' ny taona 2023 teo amin' ny faha-93 taonany, izy[5].

Nanohanana tsangan-kevitra nampitondrainy ny lohateny hoe Biblical Relations between Israel and Madagascar izy[6], izay miompana amin' ny fifandraisana ara-Baiboly eo amin' i Israely sy i Madagasikara, ary koa amin' ny niandohan' ny olombelona, ​​ka nikarohany ny fifandraisan' ny sivilizasiôna maro fahiny sy ny tantara malagasy. Filoha mpanorina sy mpikambana ao amin' ny Royal Academy of Sciences of Madagascar izy.

Ny fiainany manokana

[hanova | hanova ny fango]

Ny ray aman-dreniny

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny taona 1963 izy, zanaky ny profesora Lala Rabarioelina sy Rajerison Victorine, izay samy andriana. I Lala Rabarioelina dia Docteur en Médecine (nianatra tany amin' ny Faculté de Médecine de Montpellier), Mpandidy (major du Concours de chirurgie tany Frantsa), Professeur Agrégé de Chirurgie Générale (Paris, Frantsa), Professeur Emérite de l'Université (Oniversiten' i Madagasikara), Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar. Rajerison Victorine kosa dia manana ny diplôma ambony amin' ny haizaitra (diplôme de Haute Couture de Paris).

Ny fiainana ara-panahy

[hanova | hanova ny fango]

I Ndriana Rabarioelina dia mpiandry (1991), zanaky ny Tobilehibe Ankaramalaza (FFPM). Nilaza ho nahazo teny fikasana avy amin' Andriamanitra sy tsodrano avy amin' ny zokiolona raiamandreny ara-panahy izy, dia ireto: ny mpitandrina Daniel Ratefy (taona 1981), ny mpitandrina Razafindrakoto Gabriel (taona 1986), i Mama Volahavana Germaine (taona 1996), ny kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra (taona 2007), i Mama Ravolazaimanga Bernadette (taona 2009), i Mama Rasoazanakolona Hèlene (taona 2012), i Dada Manase (taona 2018) ao anatin' ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara ary ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara[7].

Izy dia efa Filohan' ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy (FPMA Aix-Marseille) tamin' ny taona 1986-1988, izay mpikambana ao amin' ny Fikambanana Mampiely Baiboly eto Madagasikara (FMBM), ao amin' ny Fédération Protestante de France (FPF), ao amin' ny Alliance Nationale des Eglises Luthériennes de France (ANELF), ao amin' ny World Lutheran Federation (WLF), ao amin' ny Alliance Réformée Mondiale (ARM) ary ao amin' ny Conseil Oecuménique de Eglises (COE).

Izy no nahita ny Lycée Gardanne, Département Bouche-du-Rhône, Région Provence (PACA), izay toerana nanaovana ny Fivoriambe Isankerintaona Fifohazana voalohany teo anivon' ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty An-dafy (FPMA, 1989).

Ny raiamandreny mpiahy

[hanova | hanova ny fango]

Maromaro ny raiamandreny mpiahy an' i Ndriana Rabarioelina, ka ireto tanisaina manaraka ireto ny sasany aminy:

  • ny mpitandrina Daniel Ralibera, mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo, mpampianatra tantaram-piangonana (FTP) ao Antananarivo, mpiaraka nanorina ny FJKM tamin' ny taona 1968, mpiaraka nanorina ny FFKM tao Ambohimalaza tamin' ny taona 1950, mpiaraka nanorina ofisialy ny FPMA tany Paris tamin' ny taona 1959. [Niahy azy amin' ny inona? Hamarino amin' ny alalan' ny loharano hanamarinana izany]
  • i Mama Volahavana Germaine (na Nenilava), mpiandry zokiolona (1941), raiamandreny nanorina ny Tobilehibe Ankaramalaza tamin' ny taona 1941, izay miombona amin' ny FFPM, efa nihaona tamin' i Olav V, mpanjakan' i Nôrvezy, tany amin' ny Lapan' Andriamanjaka tany Oslo any tamin' ny taona 1973, mpitory Filazantsara, mpiahy marary sy kamboty ary olona sahirana an-jatony, izay heverin' ny ao amin' ny hetsika Fifohazana ho mpaminany. ary mahay tenim-pirenena roa ambin' ny folo. [Niahy azy amin' ny inona? Hamarino amin' ny alalan' ny loharano hanamarinana izany]
  • ny profesora Albert Rakoto Ratsimamanga, Docteur en Médecine, Docteur ès Sciences, ambasadaoron' i Madagasikara tamin' ny taona 1960-1972, manampahaizana, tale amin' ny Centre National de Recherche Scientifique (CNRS) any Paris, akademisiana amin' ny firenena maro, mpikambana ao amin' ny Institut any Paris, ary nahazo loka siantifika iraisam-pirenena maro. [Niahy azy amin' ny inona? Hamarino amin' ny alalan' ny loharano hanamarinana izany]

Ny fianarana norantoviny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fianarana sy ny diplôma azony

[hanova | hanova ny fango]

Mpikaroka sady mpahay tantara ary teôlôjiana i Rabarioelina Ndriana, izay nianatra sy nampitaha tenim-pirenena mihoatra ny roa ambin' ny folo (malagasy, hebreo, arameana, grika, anglisy, alemana, tamily tranainy, sanskrity, someriana, malaiô-pôlineziana, amerindiana, afrikana, sns).

Rehefa nahazo ny diplôma baccalauréat série C (matematika sy fizika) tao amin' ny Académie d' Aix-Marseille (fr), tany Frantsa, sy ny Licence en Théologie ary nahavita Master en Théologie tao amin' ny Faculté Libre de Théologie Réformée na Faculté Jean-Calvin (fr) tao Aix-en-Provence any Frantsa.

Avy eo dia nandalina fitantanana orinasa tao amin' ny Ecole Supérieure de Commerce de Paris (ESCP-Senior, Paris, 1994) (fr) ary nandalim-pahaizana momba ny vatosoa tao amin' ny Gemological Institute of America (GIA, 2003, 2005) (en) ary laharana voalohany mikasika ny diamondra tamin' ny mpiara-mianatra aminy.

Nananao fikarohana izy ka nahazo ny diplôma PhD in Theology izy tamin' ny fanohanany ny tsangan-kevitra hoe "Biblical Relations between Israel and Madagascar" na "Ny fifandraisana ara-Baiboly eo amin' i Israely sy i Madagasikara" (PhD, Doctoral Dissertation, Saint Alcuin House Theological Seminary, USA, 2010, 458 pejy) mikasika ny "Tantara miafin' i Madagasikara nandritra ny telo arivo taona mahery" ary nahazo ny diplôma Doctor of Theology tamin' ny fanohanany ny tsangan-kevitra mitondra ny lohateny hoe "Madagascar in the Last Vestiges of the Birthplace of Humanity" na "I Madagasikara, ao amin' ny sisa tavela amin' ny toerana nahaterahan' ny olombelona" (D.Theol., Doctoral Dissertation, Saint Alcuin House Seminary, USA, 2016, 638 pejy) mikasika ny "Tantara miafin' i Madagasikara nandritra ny enina arivo taona mahery".

Ny mpampianatra azy

[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny mpampianatra azy:

Ny tsangan-keviny

[hanova | hanova ny fango]

Jiosy na Israelita ny Malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpitandrina Ravelojaona no efa nanoratra fa Jiosy ny Malagasy (1909). Taty aoriana dia nanamafy izany i Mama Volahavana Germaine (1941). Manaraka, ilay misiônera lazarista atao hoe Rev. Père Joseph Briant (1946) dia niezaka nanamarina fa avy amin' ny teny hebreo ny teny malagasy ary nanamafy koa fa Jiosy ny Malagasy ny Rev. Dr. Roger Andriatsiratahina (1976) sy ny mpitandrina Ratefy Tolotra (1979) [8]. Ny filazan' i Rev. Père Joseph Briant fa nisy koa ny andiam-pifidrà-monina jiosy mankaty Madagasikara -- ka ny voalohany tamin' ireo fifindrà-monina ireo dia tamin' ny andron' i Sôlômôna, manodidina ny taona 900 tal. J.K. -- dia nohamafisin' ny Pastora Tolotra Ratefy (1976) sy Pr. Dr. Ndriana Rabarioelina (2010) tao amin' ny fikarohana ara-teôlôjia sy ara-tantara nataon' izy ireo nandritra ny efapolo taona mahery[8].

Ny fikarohana nahazoany ny diplôma PhD in Theology dia mitondra ny lohateny hoe Biblical Relations between Israel and Madagascar ("Fifandraisana ara-Baiboly eo amin' i Israely sy i Madagasikara")[9]. Izany tsangan-kevitra izany dia anohanany ny maha Jiosy na Jody ny Malagasy.

Madagasikara: fanjaka-mpanjaka teôkratika sy kristôkratika

[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny tohanan' i Ndriana Rabarioelina koa ny tokony hahatonga an' i Madagasikara ho fanjakana teôkratika sy kristôkratika, sady hiverenana amin' ny fanjaka-mpanjaka manandratra indray ny rafitra ara-piarahamonina sy ara-pôlitika mankato an' Andriamanitra sy manaja ny soatoavina malagasy, ary ny fandravana ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany tandrefana[10][11][12]. Tsy mijanona ho tsangan-kevitra fotsiny ny famerenana ny fitondra-mpanjaka fa raha andriana na printsy fotsiny i Ndriana Rabarioelina tany am-panombohana dia narahiny fanambaràna ho Mpanjaka izany[13].

Ny teny malagasy dia avy amin' ny teny hebreo

[hanova | hanova ny fango]

Izao koa no anisan' ny hevitra tohanany: ny fiteny malagasy dia avy amin' ny fiteny hebreo, ny kolontsaina malagasy dia avy amin' ny kolontsaina jiosy, ary nisy ny fifindrà-monina jiosy nankaty Madagasikara.

Nisy ny Fihaonana iraisam-pirenena mikasika ny Fiaviana Jiosy eto Madagasikara na Conférence Internationale sur les Origines Juives à Madagascar izay niarahan' ny Profesora Tudor Parfitt (Tale mpanorina ny Centre for Jewish Studies, SOAS, University of London, Academician, United Kingdom) sy ny Pastora Tolotra Ratefy (filoham-boninahitry ny Royal Academy of Sciences of Madagascar) ary ny Pr. Dr. Ndriana Rabarioelina (Filoha Mpanorina ny Royal Academy of Sciences of Madagascar), teo anatrehan' ny Raby dimy avy any Etazonia, Kanada, Marôka, Frantsa ary Aostralia, tao Antananarivo tamin' ny volana Mey 2017.[14]

Mpanjakan' Imerina sy i Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Ny fototry ny fanjakany

[hanova | hanova ny fango]

Taranaka mpanjaka

[hanova | hanova ny fango]

Nilaza i Ndriana Rabarioelina fa avy amin' ny mpanjaka Andriantomara, ny mpanjaka Andrianerinerina Lahimatoan' Imerina, ny mpanjaka Andriamanelo, ny mpanjaka Ralambo, ny mpanjaka Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, Tompon' ny Tranomanara, Tranofohiloha, Tranomasina, izay nolovany avy amin' ny razambeny mpanjaka Andriamamilazabe, sy avy amin' ny mpanjaka Andrianjaka namorona ny Rovan' Antananarivo, ny mpanjaka Andriantsitakatrandriana, ny mpanjaka Andriantsimitoviaminandriandehibe ary ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

Ny hafatry ny razana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voalazan' i Ndriana Rabarioelina hatrany dia izao ny hafatry ny mpanjaka razambeny:

An' Andriamanelo ny Alakamisy ary an' Andriamananintany ny Zoma. Raha manary fanjakana ny Terak' Andriamananintany dia miverina amin' Andriamanelo ny fanjakana. Vokany: ny hafatra napetraky ny Masina Mpanjaka Ralambo sy Andriantompokoindrindra ary Andrianjaka izay nisy fifanarahana fito dia manjaka aloha Andriantompokoindrindra avy amin' Andriamanelo, avy eo manjaka Andrianjaka avy amin' Andriamananintany, ary ny Andriandahy avy amin' ny Terak' Andrianjaka manana reny mivantana Andriantompokoindrindra (foko) ihany no mahazo manjaka sy mahazo Tranomasina. Ny vehivavy tsy mahazo manjaka. Ary rehefa tsy manaja na very fanjakana ny Terak' Andrianjaka dia miverina amin' Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, avy amin' Andriamanelo, ny fanjakana.

Nambarany fa avy amin' ny Mpanjaka Mpisorona Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina mivantana sady avy amin' ny Masina Mpanjaka Andrianjaka ary avy amin' ny Masina Mpanjaka Andrianampoinimerina eto Madagasikara izy. Ity fanambaràna ity dia singa fototra amin' ny maha-izy azy sy ny hetsika ataony.

Tendry avy amin' Andriamanitra

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voalazan' i Ndriana Rabarioelina hatrany dia mpaminany miisa fito, raiamandreny andriana sy ireo Zokiolona fotsy volo amin' ny tany, raiamandreny ara-panahy (ny Pastora Daniel Ratefy avy ao Ambohimalaza, ny Pastor Razafindrakoto Gabriel avy ao Antanamalaza, i Mama Volahavana Germaine avy amin' ny Toby Ankaramalaza, i Dada Manasé avy amin' ny Toby Ankaramalaza, ny Andriambavy Rasoazanakolona Hélène na Mamafara avy amin' ny Toby Namahanambasy Imerinatsimo, ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra avy ao Ambohimalaza, ny Andriambavy Ravolazaimanga Bernadette[15] avy amin' ny Toby Itaitso) no nampilazain' Andriamanitra mialoha nanomboka ny taona 1981, ny maha mpanjaka mpandova fanjakana sy nanome tsodrano an' i Ndriana Rabarioelina. Tamin' ny volana Septambra 2015 no nanosorana sy nanamasinina ho mpanjaka tamin' ny lanonana ara-panahy teny Ambohidrabiby Hasin' Imerina, toerana manan-danja teo amin' ny tantaran’ ny mpanjaka merina sy mpanjaka eto Madagasikara.

Ny fanjakany

[hanova | hanova ny fango]

Fiantombohan' ny fanjakany

[hanova | hanova ny fango]

Nisy fahazavana avy any an-danitra nidina sy nipetraka nahatitra ela teo aminy, ary Fahazavana avo zato heny noho ny fahazavan' ny masoandro niposaka vao maraina avy any Atsinanana tamin' io fotoana Fanosorana Mpanjaka sy Fitsofandrano azy io teny Ambohidrabiby Hasin' Imerina, izay marika ny Fanatrehan' Andriamanitra, ny Fankatoavany ary ny Fitahiany.

Ny anaram-boninahitra entiny

[hanova | hanova ny fango]

Izao ny anaram-boninahitra isalorany amin' ny mpaha mpanjaka azy, izay matetika adika amin' ny tenim-pirenena samihafa: "Mpanjaka, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara".

Mbola mitaky ny tena fanjakana

[hanova | hanova ny fango]

Izy dia nanorina ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara, ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara ary niaraka nanorina ny fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA) niaraka tamin' ny Mpitandrina Tolotra Ratefy taorian' ny 06 Novambra 1995.

Na dia efa voahosotra sy nohamasinina ho mpanjaka aza i Ndriana Rabarioelina dia mbola miasa ny hamerenana ny Fanjakan' i Madagasikara sy ny handravana ny Repoblikan' i Madagasikara, izay lazainy fa naorin' ny mpanjanatany frantsay, mba hametrahany ny fanjakana teôkratika sy kristôkratika.

Fidirana an-tsehatra amin' ny raharaha pôlitika sy sôsialy

[hanova | hanova ny fango]

I Ndriana Rabarioelina dia nahazo fiofanana pôlitika nandritra ny dimy taona (1995-2000) tamin' ny Andriana Blaise Rabetafika, ambasadaoron' i Madagasikara tany amin' ny Firenena Mikambana (ONU)[16]. Koa mandray anjara momba ny raharaha pôlitika sy sôsialy eto Madagasikara izy.

Nanome toromarika strategika ara-tafika tamin' ny Ministry ny Fiarovam-pirenena sy jeneraly miisa folo izy hampitsaharana ny ady an-trano niaraka amin' ny basy aman-tafondro sy ny hanavotana ny takalonaina sivily an-jatony sy hamonjena ny vahoaka an-tapitrisa nijaly (2002).

Nanohitra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato goavana ary nanao fampielezan-kevitra ho an' ny "Tsia" tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny taona 2010.

Nisakana ny fanotofana tanimbary arivo hektara mahery tamin' ny kaominina miisa enina (Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, Fiombonana, Ankadimanga, Anosibe Zaivola, Itaosy) ary niaro ireo tantsaha enina alina mahery voan' ny tsindray hazo lena sy nampijalina. Tanimbary arivo hektara izay mamelona vahoaka enina hetsy mahery eto Antananarivo sy ny manodidina. Ary nanoro hevitra mba hakisaka amin' ny toerana hafa ny tetikasa Tanamasoandro (2019)[17].

Nanome hevitra mba handanian' ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna manamafy fa an' i Madagasikara sy ny firenena malagasy ny nosy dimy manodidina an' i Madagasikara (Bassas da India, Europa, Glorioso, Juan de Nova, Tromelin). Ramatoa Arlette Ramaroson, mpitsara iraisam-pirenena[18], sy ny mpiaradia manampahaizana no nandrafitra ilay volavolan-dalàna ary nankatoavina sy nolanian' ny Antenimierandoholona tamin' ny 18 Desambra 2020.

Ny zava-bitany

[hanova | hanova ny fango]

Ny boky nosoratany

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny asasorany dia ireto no azo tanisaina:

Ireo boky ireo dia maneho ny fahavononany hikaroka ny fifandraisan' ny tantara malagasy sy ny ara-panahy ary ny sivilizasiôna fahiny[5][7][19][20].

Ny zavatra natsangany

[hanova | hanova ny fango]

Momba ny hira sy mozika

[hanova | hanova ny fango]

Mpitendry gitara klasika iraisam-pirenena i Ndriana Rabarioelina sady lehiben' ôrkesitra. Izy no filoha mpanorina ny fikambanana Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar (ONG-CNSMM) sy ny Orchestre Philharmonique Amontana, nanomboka tamin' ny taona 1996, izay natao hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra, mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, sy hanomezana lanja ny haimozika malagasy avo lenta, ary efa nanao fampisehoana maro, anisan' izany ny fampisehoana impito ny oratorio "Messiah" (G.F. Handel) amin' ny teny malagasy niaraka amin' ny mpihira miisa 90 ao amin' ny antoko mpihira Zanak' Ambohimalaza (ZAMA) sy mpitendry mozika iraisam-pirenena miisa 20, ny "Messe en Si mineur" (J.S. Bach) niaraka tamin' ny CNSMM Choir sy ny Orchestre Philharmonique Amontana, ary ny "Haleloia" (G.F. Handel) niaraka tamin' ny antoko mpihira malagasy maro izay nisy mpihira niisa 600 teo anoloan' ny Lapan' ny Tanàna Antananarivo[19][21][22].

Filoha mpanorina ny Festival International de Musique Classique voalohany teto Madagasikara, nanomboka tamin' ny taona 1998, ary nikarakara kônseritra ampolony maro, izay nandraisan' ny mpitendry zavamaneno anjara avy eto Madagasikara, any Etazonia, any Alemaina, United Kingdom, Frantsa, Nôrvezy, Brezila, Italia, Rosia, Afrika Atsimo, nosy La Reunion sy firenena hafa.

Filoha mpanorina ny Festival International de Jazz à Madagascar, izay nanao fampisehoana mihoatra ny zato ary nandraisan' ny mpitendry zavamaneno anjara avy eto Madagasikara, Etazonia, Alemana, Soisa, Belzika, United Kingdom, Nôrvezy, Brezila, Italia, Afrika Atsimo, Frantsa, nosy La Reunion, nosy Maorisy sy firenena hafa.

Filoha mpanorina ny International Royal Academy of Theology i Ndriana Rabarioelina nanomboka tamin' ny taona 2010, izay misy manampahaizana mikasika ny teôlôjia eto Madagasikara sy maneran-tany. Filoha mpanorina ny Royal Academy of Sciences of Madagascar koa izy nanomboka tamin' ny taona 2016, izay misy Malagasy manampahaizana amin' ny taranja maro (teôlôjia, siansa teôrika, siansa ampiharina, kolontsaina sy haikanto, siansa mikasika ny olombelona, tantara sy lalàna ary pôlitika, siansan' ny fampandrosoana).

Ny blaogy ampiasainy

[hanova | hanova ny fango]

Ity ny topimaso momba ny blaogy na vohikala izay anehoan' i Ndriana Rabarioelina tsy tapaka ny tenany. Ireo blaogy ireo dia manasongadina ny maha andriana sy mpanjaka azy hatrany na dia misy isan-karazany aza ny lohahevitra hita ao amin' izy ireo. Indreto ny sasany amin' izy ireo:

Blaogy momba ny tantara, ny siansa, ny zavakanto, sns

[hanova | hanova ny fango]
  • Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar[23][24];
  • Royal Academy of Sciences of Madagascar[25][26];

Blaogy momba pôlitika, ny sôsialy, ny fanjakana sns

[hanova | hanova ny fango]

Ireo blaogy ireo dia sehatra miompana amin' ny mpanjaka ara-drazana, ka izy no mpandray anjara lehibe amin' izany. Mamoaka lahatsoratra sy sary ary manambara hetsika ao izy.

  • Fanjakan' i Madagasikara[27][28];
  • Fianakaviamben' ny Andriana Merina[29][30];
  • Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara[31][32];
  • Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA)[33][34];
  • Ny Andriantompokoindrindra[35][36];
  • Ny Jiosy eto Madagasikara[37][38];
  • Royal House of Madagascar[39][40].

Anisan' ny anehoany hevitra koa ny blaogy Taniko Madagaskara (Jereo eto) sy blaogy maro hafa izay matetika manana anarana ahitana ny teny hoe "Royal".

Ny fikambanana sy fifandraisana iraisam-pirenena

[hanova | hanova ny fango]

Fikambanana iraisam-pirenena

[hanova | hanova ny fango]

I Ndriana Rabarioelina dia mpikambana miaraka amin' ny mpanjaka notsongaina eran-tany ao anatin' ny Delphic Royal Society, nanomboka tamin' ny taona 2011 tao Berlin any Alemaina, izay miaraka amin' ny Delphic International Council manome lanja ny kolontsaina sy haikanto avo lenta eran-tany.

Fifandraisana amin' ny any ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Nampita "Hafatr' Andriamanitra" manohitra ny fiarahan' ny olona mitovy fananahana na Message of the Lord Adonai Elohim to All Churches in the World on the Homosexuality ary nalefa tamin' ny mpitarika fiangonana lehibe maneran-tany (ny Fiangonana Katolika Apostolika Romana any Vatikàna, ny Anglican Communion, ny World Reformed Alliance, ny World Lutheran Federation, ny World Council of Churches, ...) tamin' ny taona 2010 sy 2011.

Lehiben' ny Delegasiona Malagasy misy ny mpanjaka malagasy notsongaina, tamin' ny Fihaonambe Iraisam-Pirenenan' ny Mpanjaka sy Zanakandriana ary Mpitarika ara-drazana, indroa miantoana, tany Tripoli sy Benghazi any Libia tamin' ny taona 2008 sy 2009. Ary notendrena ho lehiben' ny Delegasiona mitarika ireo mpanjaka rehetra avy amin' ny firenena miisa dimampolo mahery raha nihaona tamin' ny filoham-pirenena miisa folo mahery avy any Amerika, Eorôpa, Afrika ary Afovoany Atsinanana tany Libia tamin' ny taona 2009.

Solontena an' ny ampanjaka rehetra eto Madagasikara tamin' ny Fihaonambe Iraisam-Pirenenan' ny Mpanjaka sy Zanakandriana ary Mpitarika ara-drazana, ary nihaona tamin' ny filoham-pirenena maro tany Pretoria atsy Afrika Atsimo tamin' ny taona 2011.

Ary efa nahazo ny mariboninahitra Grand Cross of the Royal Order of Bunyoro-Kitara Kingdom (eken' ny Fanjakana any Oganda)[40].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]

Boky sy lahatsoratra

  • Briant, Joseph, L'hébreu à Madagascar.
  • Ferrand, Gabriel (1905). Les migrations musulmanes et juives à Madagascar. Paris: Revue de l'histoire des religions.
  • Rabarioelina, Ndriana (Rev. Dr.) (2011), "Biblical Relations between Israel and Madagascar", Doctoral Dissertation, Ph.D in Theology, SAHTS, États-Unis, 2010, 458 pages. Abstract in Saint-Alcuin House Journal, Volume 8, No 1, États-Unis, And in Library of Congress, number (ISSN 1548-4459), États-Unis.

Sary mihetsika

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Les solutions proposées par Ndriana Rabarioelina à travers le retour à la monarchie", www.koolsaina.com
  2. "Les solutions proposées par Ndriana Rabarioelina à travers le retour à la monarchie" (Video), Youtube
  3. Fanjakan' i Madagasikara, mg.wikipedia.org
  4. Pr. Dr. Ndriana Rabarioelina: "...Travel with the classical guitar ...", Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar, 4 juin 2021.
  5. 1 2 "Faculté de médecine d’Antananarivo – Décès du professeur Lala Rabarioelina", Taniko Madagasikara, publié le 18 février 2023, mis à jour le 16 septembre 2024,
  6. "Prince Dr. Ndriana Rabarioelina", stalcuinhouseseminary.academia.edu
  7. 1 2 http://royal-house-of-madagascar.blogspot.com/
  8. 1 2 Rabarioelina, Ndriana (Rev. Dr.) (2011), "Biblical Relations between Israel and Madagascar", États-Unis, 2010.
  9. "Conférence internationale sur les origines juives à Madagascar", in deliremadagascar.com
  10. "Fanjakan' i Madagasikara" in mg.wikipedia.org
  11. "Déclaration : Les Malagasy, descendants de juifs" in midi-madagasikara.mg
  12. "Déclaration: les Malagasy dscendants des juifs Archived Aprily 30, 2023 at the Wayback Machine", in tonga-soa.com Archived Jiona 16, 2025 at the Wayback Machine
  13. "Royal house of Madagascar", in royal-house-of-madagascar.blogspot.com/
  14. Royal Academy of Sciences of Madagascar, 2017.
  15. Ravolazaimanga Bernadette dia voalaza fa mpiandry ao amin' ny hetsika fifohazana FJKM sy FLM. Anisan' ny olona manana vina kristiana ho an' i Madagasikara manontolo izy ary miasa ho amin' izany, satria araka ny finoany diaho lasa ivon' ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany i Madagasikara.  
  16. Ny Andriana Blaise Rabetafika dia ambasadaoron' i Madagasikara tany amin' ny Firenena Mikambana (ONU) sady zokiolona indrindra amin' ireo ambasadaoro erantany (1969-1992) tao amin' ny Firenena Mikambana, efa filohan' ny Filankevitry ny Fandriampahalemana indroa (1985,1986) tao amin' ny Firenena Mikambana ary efa nahazo ny "Prix International Mercure d'Or" izay natokana ho an' ny filoham-pirenena avo lenta indrindra sy olona sangany sy mendrika indrindra eran-tany
  17. Fanambarana, Television MATV, 18 Oktobra 2019.
  18. Ramatoa Arlette Ramaroson dia mpitsara iraisam-pirenena (TPI Rwanda, TPI Yogoslavia)
  19. 1 2 3 4 5 6 "Some members of the Royal Academy of Sciences of Madagascar", Royal Academy of Sciences of Madagascar
  20. "Interview de S.A.R. le Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina: " La christocratie est la solution durable de l'Eternel pour Madagascar", Royal House of Madagascar, 26 juillet 2012.
  21. "Maestro Étienne Ramboatiana (1930-2007): Orchestra for Orchestra for 40 Guitars", Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar.
  22. "Achievements of the Superior Royal Conservarory of Music in Madagascar - CNSMM", Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar
  23. "Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar", conservatoire-cnsmm-madagascar.blogspot.com
  24. Ny Conservatoire National Supérieur de Musique de Madagascar dia miompana amin' ny kolontsaina sy ny mozika izay namoahany ny asany amin' ny maha lehiben' ôrkesitra sy mpitendry gitara klasika azy. Ato amin' ity blaogy ity dia manambara ny fomba fijeriny ara-javakanto sy ara-panabeazana izy, manasa amin' ny fampisehoana kôseritra, mitantara ny fiaraha-miasany iraisam-pirenena ary manome voninahitra ny lafiny ara-panahy amin' ny mozika.
  25. Ity blaogy ity dia manolotra ny asany amin' ny maha filohan' ny Royal Academy of Sciences of Madagascar azy. Hita ny tantaram-piainany, ny andraikitra akademika sahaniny, ary ny seha-pikarohana andraisany anjara (teôlôjia, jeôpôlitika, fiandohan' ny olombelona, ​​sns.). Ity blaogy ity koa dia mamintina ny fizotran' ny fianarana sy fikarohana nataon' i Ndriana Rabarioelina, ny mari-pahaizana momba ny teôlôjia sy ny fikarohana momba ny fisian' ny fifandraisana ara-Baiboly eo amin' i Madagasikara sy i Israely, ny fiheverany ny anajara toeran' i Madagasikara eo amin' ny fiandohan' ny olombelona.
  26. "Royal Academy of Sciences of Madagascar", royal-academy-of-madagascar.blogspot.com
  27. Ao amin' ity blaogy Fanjakan' i Madagasikara ity no itantarany ny fitarihany lanonana miaraka amin' ny tarana-mpanjaka antemoro sy merina, sy ny maro hafa, manamafy ny fifandraisan' ny samy foko malagasy sy ny tarana-mpanjaka manerana an' i Madagasikara. Asehony ny fanomezana — anisan' izany ny "Boky Masina" mirakitra ny 6 000 taona nisian' ny tantaran' ny Merina sy ny Antemoro — nandritra ireo fivoriana ireo. Takiany ny hananganana fanjakana kristiana araka ny "Sitrapon' Andriamanitra", tsy araka ny lamina repoblikana, izay heveriny fa mifanohitra amin' ny soatoavina' ny razambe malagasy. Manohana am-pahavitrihana ny teôkrasia kristiana izy, miara-miasa amin' ny Fiangonana eto Madagasikara (FFKM), amin' ny sendikan' ny oniversite, ary amin' ny mpisehatra ara-tsôsialy, ho fototry ny fitantanana ny firenena.
  28. "Fanjakan' i Madagasikara", fanjakana-madagasikara.blogspot.com
  29. Ato amijn' ity blaogy ity no ahitana ny fiantsoan' i Ndriana Rabarioelina, tamin' ny 14–15 Desambra 2022, ny mpanjaka sy ny andriana mba hanavotra ny firenena malagasy. Tsikerainy ny kolikoly mirongatra, ny fanitsakitsahana ny zon' olombelona ary ny hosoka amin' ny fifidianana, ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fahantran' ny 81,6% amin' ny vahoaka malagasy. Hamafisiny ny maha zava-dehibe ny soatoavina malagasy, ny fanajana ny fomba amam-panao ary ny firaisankinan' ny tarana-mpanjaka.
  30. "Fianakaviamben' ny Andriana Merina, mpanjaka-madagasikara.blogspot.com
  31. Ao amin' ity blaogy ity no iresahany ny lanjan' ny Fiambonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara. Ao no ahitana ny fanambaràna ataony, ny fanosorana azy ho mpanjaka, ny zava-mitranga amin' ny taranaka mpanjaka. Mampivondrona ny Raiamandreny ara-drazana (mpanjaka sy andriana) avy amin' ny foko malagasy rehetra izy. Resahiny ny fivoriana miaraka amin' ny mpanjaka solontena amin' ny lanonana nentim-paharazana (taombaovao, fanosorana ho mpanjaka, sns).
  32. "Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara", ampanjaka-madagasikara.blogspot.com
  33. Ny blaogy Fiombonambe Taranaka Andriana Miray (TAMIMA) dia iresahany momba ny fivondronan' ny Andriana, anisan' izany ny fihaonana tamin' ny taona 2021 sy 2022 izay niompana amin' ny tantara sy ny firaisankinan' ny taranaka mpanjaka. Ato amin' ity blaogy ity izy no mankalaza ny fety toy ny Taombaovao Malagasy, izay angatahany ny fitahian' Andriamanitra ho an' ny tarana-mpanjaka. Mandrara ny sakafo sasany heverina ho maloto araka ny lalàn' ny Baiboly izy mba hahamasina ny Andriana malagasy.
  34. "Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara (TAMIMA)", tamima-madagasikara.blogspot.com
  35. Ity blaogy Ny Andriantompokoindrindra ity dia mifantoka amin' ny Fanjakana Merina sy ny andraikitra maha mpitarika ny Fiombonamben' ny Andriana eto Madagasikara azy. Ao amin' ity blaogy ity koa i Ndriana Rabarioelina dia manazava ny maha taranaky ny "mpanjaka-mpisorona" Andrianatompokoindrindra azy (1600–1610 tany ho any) sy ny mpanjaka tao Imerina, itantarany ny fanosorana azy ho Mpanjaka tamin' ny taona 2015. Asehony ihany koa ny fototra ara-pivavahana sy ara-drazana momba ny maha ara-dalàna ny maha Mpanjaka azy sy ny fanoloran-tenany amin' ny hamerina indray ny Fanjakana Masina miorina amin' ny soatoavina malagasy sy kristiana .
  36. "Ny Andriantompokoindrindra", andriantompokoindrindra.blogspot.com
  37. Ato no iresahany fa misy ifandraisany amin' ny Israelita fahiny ny razamben' ny Malagasy, nanomboka amin' ny fifindra-monina ara-Baiboly teto Madagasikara tany amin' ny 3 000 taona lasa izay. Milaza koa izy fa avy amin' ny teny hebreo ny teny sy ny kolontsaina ary ny fomban-drazana sasany eto Madagasikara, araka ny fikarohana nataony nandritra ny telopolo taona. Miezaka mampiseho ny fitoviana misy eo amin' ny tantara malagasy sy ny fitantarana ao amin' ny Testamenta Taloha izy, indrindra amin' ny filazany fa eto Madagasikara ilay toerana atao hoe Ôfira .
  38. "Jiosy eto Madagasikara", jiosy-eto-madagasikara.blogspot.com
  39. Io no blaogy ôfisialin' ny Royal House of Madagascar, izay mirakitra hafatra ara-pôlitika sy ara-kolontsaina, indrindra momba ny famerenana indray Fanjakan' i Madagasikara miorina amin' ny soatoavina malagasy, ny fanolorana lalàmpanorenana vaovao eo ambany fahefan' ny mpanjaka, ary momba ny fifandraisana amin' ny fikambanana maneran-tany (ny Firenena Mikambana, ny Fandaharan' Asan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Fampandrosoana (PNUD), sns.). Ity blaogy ity koa dia itakiany ny tokony hiverenana amin' Andriamanitra.
  40. 1 2 "Royal House of Madagascar", royal-house-of-madagascar.blogspot.com