Tantara Voajanahary

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Naturalis Historia)
Ny Tantara voajanahary izay natonta tamin'ny taonjato faha-17

Ny Naturalis historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoratan'i Pliniosy Ilaibe, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny versiona tanteraka ary ny fanontana nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469, izay tsy dia nisy nahalala. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo.

Ambangovangony[hanova | hanova ny fango]

  • Fatotra voalohany
    • Boky 1 : sasin-teny, firaketan-toko ary firaketam-panoratra
    • Boky 2 : famaritana ara-matematika ary ara-pizikan'izao tontolo izao
  • Fatotra faharoa
    • Boky 3-6 : jeôgafia ary haifombam-poko
    • Boky 7 : haiolombelona ary fiziôlojian'olombelona
  • Fatotra fahatelo
    • Boky 8 - 11 : haibiby
  • Fatotra fahaefatra hatramin'ny fahafito
    • Boky 12 - 27 : Haizavamaniry izay ahitana ny voly ary ny haivolim-boninkazo
  • Fatotra fahavalo
    • Boky 28 - 32 :
  • Fatotra fahasivy ary fahafolo
    • Boky 33 - 37 : fitrandrahana ny mineralin'ny any ary haivato.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.