Hankany amin'ny vontoatiny

Nathalie Yamb

Avy amin'i Wikipedia

I Nathalie Yamb dia vehivavy mpikatroka sady olo-malaza ara-pôlitika soisa sy kameroney, teraka tamin' ny 22 Jolay 1969 tany Soisa[1][2]. Fantatra amin' ny fanoloran-tenany amin' ny tokony hanamafisana ny fiandrianan' ny firenena afrikana sy ny fampiroboroboana ny panafrikanisma izy[3]. Manakiana mafy ny fifandraisana miendrika fanjanahantany amin' ny endriny vaovao (neôkôlônialisma) eo amin' i Afrika sy ny Tandrefana, indrindra i Frantsa izy[4][5][6]. Hita amin' ny alalan' ny fisehoany ampahibemaso sy ny lahatsorany amin' ny tambajotra-tserasera ary ny fandraisany anjara amin' ny fivoriana iraisam-pirenena ny herin' ny fitaomany[7][8]. Be tsy mpankasitraka ny fanehoan-keviny[9][10]. Mahazo fanohanana avy amin' ny olo-malaza panafrikanista sy ny fampahalalam-baovao afrikana sasany anefa izy[11].

Zotram-piainany

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tany La Chaux-de-Fonds any Soisa i Nathalie Yamb, avy amin' ny reny soisa sy ray kameroney[2][12]. Hatramin' ny fahazazany dia liana tamin' ny olana momba ny rariny ara-tsôsialy sy ny fanafahana ary ny fiandrianam-pirenena ara-pôlitika ao Afrika izy[13]. Ny fianarany ambony (sinsa pôlitika, fanaovan-gazety, serasera) sy ny asa nataony[14] no nahatonga azy hanara-maso akaiky ny fiainana taorian' ny fanjanahantany aty Afrika sy nahatonga azy namolavola fomba fijery mitsikera momba ny Françafrique sy ny rafitra ara-toekarena sy ara-pôlitika nolovaina tamin' ny fanjanahantany[10][15].

Nanjary fantatry ny besinimaro izy tamin' ny Fihaonana an-tampony Rosia-Afrika tany Sochi tamin' ny taona 2019, izay nanakianany an-karihary tamin' ny alalan' ny lahateniny ny Françafrique sy ny fifandraisana tsy mifandanja eo amin' i Frantsa sy ny zanataniny taloha, lahateny izay niparitaka be tao amin' ny tambajotran-tseradera[16][17]. Ity lahateny izay niely dia niely ity no nahazoany ny anaram-bositra hoe "Lady of Sochi" na "Dame de Sotchi" ary nanamarika ny fiandohan' ny lazany[18][19].

Nandritra ny taona maro dia nanitatra ny sehatry ny hetsika ataony i Nathalie Yamb tamin' ny alalan' ny firesahana amin' ny haino aman-jery, amin' ny fihaonambe ary amin' ny famoahana-dahatsoratra an-tserasera, izay iresahany momba ny fiandrianana ara-toekarena, momba ny fitantanana, momba ny fiaraha-miasa afrikana ary momba ny rariny ara-tsôsialy. Ny lalana nizorany dia mifanaraka amin' ny fiarovany ny fitsipika fototry ny panafrikanisma sy ny fanoloran-tena amin' ny fanohanana ny tanora sy ny vehivavy afrikana[20][21][22][23].

Tany Soisa no nahalehibe an' i Nathalie Yamb alohan' ny nifindrany tany Kamerona niaraka tamin' ny fianakaviany tamin' ny taona 1977. Tamin' ny taona 2019, rehefa noroahina avy tany Kôtidivoara izy, dia nalefa niverina any Soisa indray[24]. Tamin' ny faran' ny taona 2022 dia nipetraka tany Ginea-Bisao i Nathalie Yamb niaraka tamin' ny havan' ny filoha Umaro Sissoco Embaló[25]. Tamin' ny taona 2025 dia nanambara i Nathalie Yamb fa nahazo pasipôro diplômatika avy any Nizera sady voatendry ho mpanolotsaina ho an' ny mpitondra ao amin' io firenena io[26].

Ny hetsika nataony

[hanova | hanova ny fango]

Fiarovana ny fiandrianam-pirenena afrikana

[hanova | hanova ny fango]

Iray amin' ny lohahevi-dehiben' ny fanoloran-tenan' i Nathalie Yamb ny fiandrianana ara-toekarena sy ara-pôlitikan' ny firenena afrikana. Manakiana ny rafitra ara-toekarena nolovaina tamin' ny fanjanahantany izy, indrindra ny Franc CFA, izay heveriny ho fitaovan' ny fiankinan-doha amin' i Frantsa. Araka ny filazany, ireo fifandraisana ara-toekarena tsy mifandanja ireo dia mametra ny fahafahan' ny firenena afrikana hanapa-kevitra malalaka momba ny pôlitikany ara-bola sy hitrandraka ny harena voajanahary ananany izay tokony hahafahany manataneraka fampandrosoana[7][27][28][29].

Manohana ny tokony hananganana rafitra ara-bola tsy miankina sy ny fanamafisana ny andrim-pamoaham-bola afrikana izy mba hahafahan' ny firenena afrikana tsirairay mamaritra ny laharam-pahamehana ara-toekarena sy ara-tsôsialy ao aminy avy. Ny fandraisam-pitenenany dia manantitrantitra fa ny famotsorana ny firenena afrikana mba hahaleo tena ara-toekarena dia fepetra tena ilaina amin' ny fahaleovantena ara-pôlitika marina aty Afrika[4][7][30].

Fampiroboroboana ny panafrikanisma

[hanova | hanova ny fango]

I Nathalie Yamb dia mpikatroka mafana fo amin' ny panafrikanisma, manohana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa eo amin' ny firenena afrikana mba hamahana ny olana ara-toekarena sy pôlitika ary ara-tsôsialy iraisana. Mino izy fa tsy afaka mivoatra tanteraka i Afrika raha toa ka tsy manaraka paikady iraisana sy miara-miasa amin' ny sehatra ara-barotra sy ara-pôlitika, ary mamporisika ny firaisankina eo amin' ny vahoaka ny firenena rehetra ao aminy[3][4][10][31].

Nohamafisiny manokana ny maha zava-dehibe ny tanora sy ny vehivavy afrikana amin' izany dingana izany, ka anasany azy ireo hirotsaka amin' ny fiainana ara-pôlitika sy handray anjara mavitrika amin' ny fanapahan-kevitra eo amin' ny sehatry ny firenena sy iraisam-pirenena. Araka ny filazany dia ilaina ny fanetsehana ny olom-pirenena mba handrava ny fiankinan-doha nolovaina tamin' ny fanjanahantany[10][32].

Famohazana ny fahatsiarovan-tena ara-pôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Mampiasa ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery i Nathalie Yamb mba hanairana ny sain' ny vahoaka afrikana momba ny tantara sy ny fiankinan-doha ara-toekarena ary ny tsy rariny nolovaina tamin' ny fanjanahantany. Mino izy fa ny fahalalana sy ny fahatongavan-tsaina no fototry ny fiovana. Mikendry ny hanentanana azy ireo, indrindra ny tanora afrikana, mba hahafahan' izy ireo mitaky pôlitika ara-drariny sy mahaleo tena, ny fandraisam-pitenenany[3][33][34].

Tohanany ny tokony hanaovana hetsika mikendry ny fanomezan-danja ny loharanon-karena eo an-toerana sy ny fampiroboroboana ny orinasa afrikanina ary ny famporisihana ny safidy ara-toekarena manome vahana ny fampandrosoana avy ao anatiny fa tsy miankina amin' ny firenena vahiny[35].

Lahateny nataony tany Sochi

[hanova | hanova ny fango]

I Nathalie Yamb dia malaza amin' ny lahateniny mahery vaika manohitra ny fanjakazakana ara-toekarena sy ara-pôlitika ataon' i Frantsa aty Afrika, izay lazainy ho "rafitra fanjanahantany misaron-tava” ("système colonial déguisé"). Nanamarika kihon-dalana iray ny lahateniny tamin' ny Fihaonambe Rosia–Afrika tany Sochi (any Rosia) tamin' ny taona 2019: nomelohiny ampahibemaso ny fandrobana ara-toekarena sy ny fanambaniana ara-pôlitika ataon' i Frantsa amin' ny firenena afrikana. Anisan' izany dia manakiana mafy ny Françafrique, ny toby miaramila frantsay, ny fifanaraham-piarovana nolovaina tamin' ny fanjanahantany, ary ny andraikitry ny franc CFA[36]. Izao ny sombiny amin' ny lahateny malaza nataony, ka nahazoany ny anarambosotra hoe "La Dame de Sotchi":

"Tsy tonga aty Rosia izahay mba hitady tompo vaovao hanolo ny taloha; tonga eto izahay mba hitady mpiara-miombon' antoka hanao "raharaha samy mahazo tombony"[37].

Nandray anjara tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka nokarakarain' i Rosia tamin' ny Septambra 2022 tamin' ny tany voabodo any Okraina (Donetsk, Luhansk, Zaporizhia et Kherson) i Nathalie Yamb. "Mpanara-maso iraisam-pirenena mahaleo tena” ny asany nandritra ny fifidianana heverin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena tandrefana ho tsy ara-dalàna[38].

Fitsikerana sy fanasaziana azy

[hanova | hanova ny fango]

Fandroahana azy avy ao Kôtidivoara

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Desambra 2019, rehefa avy nanameloka ny Françafrique sy nanakiana ny fiankinan-dohan' ny firenena afrikana sasany amin' i Frantsa i Nathalile Yamb dia noroahin' ny fitondram-panjakana ao Kôtidivoara noho ny "hetsika tsy mifanaraka amin' ny tombontsoam-pirenena" [39]. Amin' i Kemi Séba, izany fandroahana izany no vidin' ny fahafahan' i Afrika[40].

Fanasazian' ny Vondrona Eorôpeana azy

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2025 dia nametraka sazy ho azy ny Vondrona Eorôpeana, anisan' izany ny fandrarana ny fidirany ao amin' ny fizaran-tany eorôpeana sy ny fanagiazana ny fananany, noho ny hevitra jeôpôlitika sy ny fanohanany an' i Rosia ary ny fifandraisany amin' ny vondrona Wagner[41].

Iharan' ny fanakianana sy fanenjehana izy noho ny fiheverana azy ho manakorontana ny lamina efa mipetrapetraka ahazoan' ny Eorôpeana tombontsoa aty amin' ny zanatany taloha.

Ny fitaomany sy ny fanohanana azony

[hanova | hanova ny fango]

Haino aman-jery sy tambajotran-tserasera

[hanova | hanova ny fango]

Noho ny fisehoany amin' ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera, i Nathalie Yamb dia mahazo mpanaraka marobe sy samihafa, indrindra aty Afrika. Maro ny mpanaraka azy noho ny famakafakany sy ny fiteniny mahitsy momba ny lohahevitra vitsy mpiresaka, indrindra ny Françafrique sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena iraisam-pirenena amin' ny firenena afrikana[42][43][44].

Fanohanana panafrikana

[hanova | hanova ny fango]

I Nathalie Yamb dia mahazo fanohanana avy amin' ny olo-malaza panafrikanista toa an' i Kémi Séba sy Ibrahim Traoré, izay manaiky ny andraikiny amin' ny fanandratana ny fiandrianam-pirenena afrikana sy ny heriny amin' ny fahaizany mitaona ny tanora afrikana. Izany fiarahana izany dia manamafy ny fahitana azy sy ny fankatoavana azy ao anatin' ny faribolana panafrikana maro[45][46][47].

Fankatoavana ôfisialy

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 21 Desambra 2023 dia nasandratry ny manampahefana tetezamita ao Nizera teo amn' ny laharan' ny ho "Chevalière de l’Ordre des Palmes Académiques du Niger" i Nathalie Yamb[48][49] ho fankasitrahana ny fanoloran-tenany amin' ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary ny fampiroboroboana ny panafrikanisma. Io mari-boninahitra io dia nomen' ny Conseil National pour la Sauvegarde de la Patrie (CNSP), izay fahefana tetezamita hatramin' ny fanonganam-panjakana tamin' ny 26 Jolay tany Nizera[48][50].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Nathalie Yamb dévoile tout sur son enfance", sur camerounweb.com, 10 avril 2023.
  2. 1 2 "Nathalie Yamb, l'activiste qui se rêve comme le "cauchemar" de la France", information.tv5monde.com
  3. 1 2 3 "Afrique: Nathalie Yam, panafricaniste - « Je vois l'AES comme le socle de l'envol de l'Afrique »", fr.allafrica.com
  4. 1 2 3 "Nathalie Yamb: "Si l'Afrique s'industrialise, c'est un géant qui se lève"", fr.sputniknews.africa
  5. "« Le colonialisme ne s’est jamais terminé », Nathalie Yamb", africaho.bj
  6. ""Le colonialisme ne s’est jamais terminé", affirme Nathalie Yamb", www.maliweb.net
  7. 1 2 3 "Forum Russie-Afrique: À Sotchi, Nathalie Yamb démonte la Françafrique", www.afrique-sur7.fr
  8. "Qui est Nathalie Yamb : La Dame de Sochi, militante panafricaine", panafricaniste.com
  9. "Nathalie Yamb, figure panafricaniste, déclarée « Persona non grata » par l’Union européenne et gèle tous ses avoirs", regardsurlafrique.com
  10. 1 2 3 4 "(DOSSIER) Nathalie Yamb : figure panafricaine en croisade contre la « Françafrique »", www.congoquotidien.com
  11. "Nathalie Yamb et Alain Foka : quand les soutiens des juntes sahéliennes se déchirent", www.jeuneafrique.com
  12. "La France ferme son territoire à Nathalie Yamb", connectionivoirienne.net
  13. "Figure : Nathalie Yamb et la cause africaine", roland-tsapi.com
  14. "Resume - Nathalie Yamb", www.nathalieyamb.com
  15. "Discours Emancipatoire comme modalité de lutte contre le néocolonialisme", www.academia.edu
  16. "Forum Russie-Afrique: À Sotchi, Nathalie Yamb démonte la Françafrique", www.afrique-sur7.fr
  17. "Retour sur l'intervention virale de Nathalie Yamb en 2019 lors du sommet Afrique-Russie", www.brut.media
  18. "The faces of Russia's influence across the African continent", www.lemonde.fr
  19. "Relations Afrique-Russie: Les bénéfices que nous pouvons en tirer, connectionivoirienne.net
  20. "Niamey : Conférence publique de la Panafricaniste Nathalie Yamb", www.faapa.info
  21. "Nathalie Yamb se déchaine contre l’Union africaine : « A quoi sert-elle ? »", www.afrique-sur7.fr
  22. "« On fait comme si dans les années 60, il y a eu les indépendances » en Afrique – Nathalie Yamb", actucameroun.com
  23. "Nathalie Yamb critique 43 ans de gouvernance de Paul Biya", actucameroun.com
  24. "Swiss-Cameroonian activist deported to Switzerland", www.swissinfo.ch
  25. "Cameroon: 10 things to know about Nathalie Yamb, anti‑Macron cyber‑activist", www.theafricareport.com
  26. "Sanctioned Activist Announces Post With Niger Junta", www.barrons.com
  27. "Côte d’Ivoire : la militante Nathalie Yamb expulsée du territoire", www.jeuneafrique.com
  28. "Nathalie Yamb, panafricaniste : « je vois l’AES comme le socle de l’envol de l’Afrique »", www.sidwaya.info
  29. "Fin du franc CFA: Nathalie Yamb dénonce un «kidnapping» vis-à-vis de l’ECO", www.leral.net
  30. "Afrique: Les élites doivent rompre avec la Françafrique", moroccomail.fr
  31. "Burkina : « Il faut d’abord travailler à éliminer les sources de division pour réussir l’unité africaine », Nathalie Yamb", www.aib.media
  32. "Nathalie Yamb, l'activiste qui se rêve comme le "cauchemar" de la France", information.tv5monde.com
  33. "Nathalie Yamb, Nouvelle égérie controversée du "French-Bashing" en Afrique", www.seneplus.com
  34. "Nathalie Yamb, Nouvelle héroïne de la libération de l'Afrique depuis le sommet de Sotchi", www.seneplus.com
  35. "Résistance panafricaine : Nathalie Yamb au cœur du Sahel", africacoeurnews.com
  36. "Nathalie Yamb, nouvelle héroïne de la libération de l’Afrique depuis le sommet de Sotchi", fr.sputniknews.africa
  37. "Nous ne venons pas en Russie pour y chercher de nouveaux maîtres qu’on substituera aux anciens ; nous y venons trouver des partenaires pour faire du “business gagnant-gagnant”. ("Connexions entre Nathalie Yamb, Kémi Séba et Wagner", corbeaunews-centrafrique.org)
  38. "En Ukraine occupée, cette Suissesse valide des élections «illégales»", www.blick.ch
  39. "L’opposante Nathalie Yamb expulsée de Côte d’Ivoire", www.lemonde.fr
  40. "Nathalie Yamb, nouvelle égérie controversée du « french-bashing » en Afrique", www.jeuneafrique.com
  41. "L’UE sanctionne l’influenceuse Nathalie Yamb pour ses positions prorusses", www.lemonde.fr
  42. "Nathalie Yamb, l'influenceuse de Poutine", www.telepro.be
  43. "L’influenceuse suisse Nathalie Yamb sous enquête pour diffamation", www.tdg.ch
  44. "Dix choses à savoir sur Nathalie Yamb, cyberactiviste anti-Macron", www.jeuneafrique.com
  45. "Humiliée et expulsée de Côte d’Ivoire, Nathalie Yamb reçoit le soutien de Kemi Séba", actucameroun.com
  46. "Le Chef de l’État reçoit les panafricanistes Kemi Seba et Nathalie Yamb", www.africa-press.net
  47. "Burkina Faso : Nathalie Yamb nommée conseillère spéciale du président Ibrahim Traoré", www.afripresse.com
  48. 1 2 "Nathalie Yamb elévée au grade de chevalière de l’Ordre des Palmes Académiques du Niger", actucameroun.com
  49. "Niger : Nathalie Yamb faite chevalier de l’ordre des Palmes Académiques", www.afrique-sur7.fr
  50. "Niger : Nathalie Yamb faite chevalier de l’ordre des Palmes Académiques", netafrique.net