Namana mpanelingelina

Ny fanoharana momba ilay namana mpanelingelina na sakaiza mpanelingelina dia fanoharana nataon' i Jesoa izay hita ao amin’ ny Lioka 11:5–8. Ity fanoharana ity dia nampianarin' i Kristy, taorian' ny nampianarany ny mpianany ny Rainay any an-danitra, mialoha ny teny momba ny fahombiazan' ny vavaka. Araka io fanoharana io dia manaiky hanampy ny mpiara-belona aminy ny namana iray noho ny fitalahoana maharitra fa tsy amin' ny maha mpinamana azy ireo, na dia efa alina aza ny andro sady na dia miteraka fanelingelenana aza izany.
Asehon' io fanoharana io fa ilaina ny mivavaka tsy amim-pahakiviana. Eo amin’ ny sehatry ny famakafakana ny Baiboly dia anisan’ ny Sondergut an' ity evanjelista ity ilay fanoharana.
Mitovy amin' ny fanoharana momba ny mpitsara tsy marina (Lio. 18:1–8) izy io ary asehon' ny mpanakanto maromaro, anisan' izany i William Holman Hunt.
Fitantarana
[hanova | hanova ny fango]Toy izao ilay fanoharana:
5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; 6 fa ny sakaizako nandeha tamin' ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? 8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy (Lio. 11:5-8).
Ny zavatra resahina ao amin' io fanoharana io dia ny tranon' ny tantsaha izay tsy ahitana afa-tsy efitra iray, izay iarahan’ ny ankohonana manontolo matory eo ambony tsihy eo amin’ ny tany, sy lehilahy iray nandeha alina mba hialana amin' ny hafanana amin' ny antoandro. Ny anton' ny fangatahan' ilay namana dia ny fampiantranoana, izay adidy masina nanerana ny Tontolo Mediteraneana tamin' ny Andro Taloha.