National Center for Biotechnology Information

Ny National Center for Biotechnology Information (na NCBI) dia ivontoeram-pirenena any Etazonia misahana ny fampahalalana momba ny biôlôjia môlekiolera. Anisan' ny National Library of Medicine (na NLM), izay sampana ao amin' ny National Institutes of Health (na NIH), ity ivontoerana ity. Ankatoavin' ny governemantan' i Etazonia sady vatsiany vola izy io. Ao Bethesda (Maryland) no misy ny NCBI, ary naorina tamin' ny taona 1988 tamin' ny alalan' ny lalàna notohanan' ny solombavambahoaka amerikana Claude Pepper. Mametraka andiana angon-drakitra mifandraika amin' ny biôteknôlôjia sy ny biômedisinina ary loharano manan-danja ho an' ny fitaovana sy serivisy biôinfôrmatika ny NCBI. Anisan' ny angon-drakitra lehibe ao aminy ny GenBank sy ny PubMed ary ny NCBI Epigenomics database.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://www.ncbi.nlm.nih.gov/
- Angon-drakitra taksinômika: https://www.ncbi.nlm.nih.gov/taxonomy