Hankany amin'ny vontoatiny

N'lapa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny N'lapabe)

Ny n'lapa dia amponga tsangana sy tokan-tava fampiasa any amin' ny ilany andrefan' i Madagasikara amin' ny lanonam-be. Hoditra tokana ihany no eo amin' ny vavany toy ny an' ny laona, ary fantsika hazo no mitana ny hoditra eo amin' ny vatany. Ity amponga ity dia hevarina ho masina.

Atao hoe n'lapabe izy raha ngeza sy mavesatra, ary nasiana tongony telo vita amin ny tanimanga na vita sokitra ary tsy dia afindra toerana loatra. Ny lehibem-poko na ny solontenany no mampiasa azy hanarahana ny dihin' ny vehivavy mandritra ny fety mozilmana. Samy mitahiry ny ampongany ao amin' ny "lapa" (toerana misy ny fasan' ny mpanjaka sakalava) ny lehibem-poko tsirairay ary tsy mampiasa izany raha tsy amin' ny lanonana natokana ho an' ny mpanjaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]