Myrothamnus

Ny Myrothamnus dia antokon-javamaniry mamony, ahitana karazana hazobotry madinika roa tia toetany mana, any amin' ny faritra atsimon' i Afrika trôpikaly sy eto Madagasikara. Ny Myrothamnus no hany antokon-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Myrothamnaceae.
Tafiditra tao amin' ny filaharana Hamamelidales ny Myrothamnaceae araka ny fanasokajian' i Cronquist. Nanoro ny fanadihadiana momba ny môlekiola fa tsy mifandray akaiky amin' ny Hamamelidaceae na amin' ny fianakaviana hafa tafiditra ao anatin' io filaharana io ny Myrothamnus, fa mifandray akaiky amin' ny Gunnera izay tena samihafa amin' izy ireo. Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) dia voatendry ho ao amin' ny fianakaviana Gunneraceae na ho ao amin' ny fianakaviana mitokana Myrothamnaceae io antoko io. Nisafidy famaritana tery kokoa ao amin' ny filaharana Gunnerales ny fanasokajiana APG III (2009) sy ny fanasokajiana APG IV (2016), ary ireo fianakaviana roa ireo dia heverina ho samy hafa.
Lositry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana ao amin' ny Myrothamnus:
- Myrothamnus flabellifolius Welw. - Angôla, Afrika Atsimo, Zimbaboe
- Myrothamnus moschata (Baill.) Baill. - Madagasikara (anarana malagsy: maharaoka, maimbelona, riadriatra, na tsimarofy.)