Myriam Harry

I Maria Rosette Shapira, fantatra amin' ny anarana hoe Myriam Harry, dia vehivavy mpanoratra frantsay teraka tany Jerosalema tamin' ny 21 Febroary 1869, ary maty tao Neuilly-sur-Seine tamin' ny 10 Marsa 1958. Izy no mpandresy voalohany tamin' ny Prix Femina (nantsoina hoe Prix La Vie heureuse), noforonina tamin' ny Novambra 1904 noho ny fandavan' ny mpikambana mpitsara Goncourt hanolotra ny valisoany nefa izy no nahay indrindra. Nadika tamin' ny fiteny maro ny asa sorany, ka nahazo fahombiazana lehibe nandritra ny tapany voalohan' ny taonjato faha-20 izy ary niaina tamin' ny asa sorany nandritra ny androm-piainany manontolo.
Ny diany lehibe farany nataony dia nitondra azy taty Madagasikara nandritra ny volana vitsivitsy tamin' ny taona 1935, noho ny fanasan' ny governora jeneraly Léon Cayla. Nikarakara fitsangatsanganana lehibe tany atsimon' ny Nosy ho azy i Léon Cayla. Rehefa tafaverina izy dia namoaka fitantarana momba ny fahitany ity kolontsaina vahiny ity. Navoakany tamin' ny endrika tantara foronina ny momba ny mpanjakavavy Ranavalona l sy ny vadiny Radama I nodimbiasany.
Boky nosoratany
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny boky nosoratan' i Myriam Harry dia efa navoaka mialoha tamin' ny gazetiboky na gazety[1]. Indreto ny sasany notsongaina:
Momba an' i Madagasikara
- Ranavalo et son amant blanc, histoire à peine romancée, Paris : Flammarion, 1939, 251 p.
- Routes malgaches, le Sud de Madagascar, Paris : Plon, 1943, 245 p.
- Radame, premier roi de Madagascar, Paris : Ferenczi, 1949, 252 p.
- Sous le signe du taureau, le Sud de Madagascar, Paris : A. de Chabassol, 1947, 319 p.
Hafa
- La Divine Chanson, Paris : A. Fayard, Les Inédits de Modern-Bibliothèque, 1912, 128 p.
- La Petite Fille de Jérusalem, Paris : A. Fayard et Cie, 1914, 350 p. (Préface de Jules Lemaître) / Rééditions : Fayard, 1950; Editions des Malassis, 2016, 272 p.
- Siona chez les Barbares, Paris : A. Fayard, 1918, 317 p.
- Siona à Paris, Paris : A. Fayard, 1919, 282 p. Troisième volume de la quadrilogie de Siona.
- Le Tendre cantique de Siona, Paris : A. Fayard, 1922, 252 p.ù
- Les Amants de Sion, Paris : A.Fayard, 1923, 187 p.
- La Nuit de Jérusalem, Paris : Flammarion, 1928, 67 p.
- La Jérusalem retrouvée, Paris : Flammarion, 1930, 284 p.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Une femme de lettres dans les îles du sud-ouest de l’océan Indien", books.openedition.org