Mullerornis

Ny Mullerornis dia vondron-karazam-borona tsy afa-manidina, ao amin' ny fianakaviana Aepyornithidae, filaharana Aepyornithiformes, efa lany tamingana, izay nisy teto Madagasikara hatramin' ny taonjato faha-13 tany ho any. Io vondron-karazana io dia nomena ny anaran' i Georges Muller, mpikaroka frantsay, izay novonoin' ny Sakalava tamin' ny taona 1892.
Tsy manana afa-tsy karazana iray ity vodnrona ity, dia ny Mullerornis modestus. Ny fikarohana navoakan' i Hansford sy i Turvey ao amin' ny Zoological Society of London tamin' ny taona 2018 dia namaritra karazana efatra (fa tsy 15 teo aloha), mitsinjara amin' ny vondron-karazana telo: ny Aepyornis hildebrandti, ny Aepyornis maximus, ny Mullerornis modestus ary ny Vorombe titan.
Anarana mitovy hevitra
[hanova | hanova ny fango]- Aepyornis modestus Milne-Edwards & Grandidier 1869
- Mullerornis agilis Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Mullerornis betsilei Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Mullerornis rudis Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Flacourtia rudis (Milne-Edwards & Grandidier 1894) Andrews 1895
- ?Mullerornis grandis Lamberton 1934
Filazalazana
[hanova | hanova ny fango]
Ny Mullerornis dia kely kokoa noho ny Aepyornis, izay manana lanja mbola lehibe kokoa (80 kilao). Nisy taolana iray izay mety ho an' ny Mullerornis izay niaina tamin' ny taona 1260 teo ho eo tany aloha (araka ny fanomezana daty amin' ny alalan' ny karbônina-14), dia manambara fa mbola nisy ilay biby tamin' ny faran' ny taonarivo voalohany.
Ny Aepyornis modestus dia nasehon' i Hansford sy i Turvey (2018) fa anarana mitovy hevitra tranainy indrindra nomena ny karazana rehetra ao amin' ny Mullerornis nofaritan' i Milne-Edwards sy i Grandidier (1894), ka nahatonga ny anarana vaovao hoe Mullerornis modestus.