Muehlenbeckia platyclada

Ny Muehlenbeckia platyclada dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Polygonaceae, ao ampin' ny filaharana Polygonales. Atao hoe Homalocladium platycladum koa izy io taloha. Amin' ny teny malagasy ity zavama,iry ity dia atao hoe harahara na tavihasina.
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]Teratany any Ginea Vaovao sy any amin' ny Vondronosy Solomon ny Muehlenbeckia platyclada. Maniry tsara any amin' ny faritra trôpikaly hafa toa an' i Pôrtô Rikô, any India, any Bôlivia, eto Madagasikara ary any Pakistana koa izy io. Heverina ho zavamaniry manafika any Kôsta Rika, any Goatemala, any Nikaragoà ary any Peroa ny Muehlenbeckia platyclada.
Fanoritsoritana
[hanova | hanova ny fango]
Kirihitra kely ny Muehlenbeckia platyclada, manodidina ny 2 metatra ny haavony, miavaka izy io amin' ny fananany taho maitso fisaka, misy tonony mifampitohitohy, ary ny raviny izay lasa kirany. Ny asa fanamboarana famaitso dia tanterahin' ny kladôdy fisaka sy lavalava, izay tsy tena ravina, miloko maitso antitra, mifandimby, tsy misy tangozany, be elabakaka, miendrika zana-tsipìka sy 15-65 mm ny halavany. Izy io dia mazàna mamokatra sampana mianika.
Fanasokajina
[hanova | hanova ny fango]
Noho ny bika aman' endriny dia nanasokajy an' io karazana io ho ao amin' ny vondron-karazana Homalocladium izay tsy nanana afa-tsy io karazana iray io ny sistematisiana teo aloha. Nasehon' ny fikarohana filôjenetika fa tafiditra ao amin' ny vondron-karazana Muehlenbeckia io zavamaniry io. Ilay bôtanista ekôsey William Grant Milne no nahita azy voalohany tao Wanderer Bay (Vondronosy Solomon) izy io tamin' ny taona 1853, nandritra ny dian' ny HMS Herald notarihin' ny Kapiteny Denham.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Muehlenbeckia
- Harahara: anarana ilazana koa ny Ludia dracaenoides, ny Phylloxylon decipiens, ny Phylloxylon ensifolium ary ny Phylloxylon perrieri)