Mpisolovava
Fiseho

Ny mpisolovava dia mpahay lalàna izay manana andraikitra hanoro, hisolo tena, hanampy ary hiaro ny mpila raharaha aminy, olon-tsotra na fikambanana ara-dalàna, eny amin' ny fitsarana, amin' ny fiarovana ny zony. Fanampin' izany, ny mpisolovava dia miandraikitra ny fanoloran-tsaina nefa miasa ho mpandrafitra antontan-taratasy ihany koa.
Ny mpisolovava dia misolo tena sy miaro ny olona na fikambanana amin' ny raharaha isan-karazany toy ny fisaraham-panambadiana, ny fandovana, ny fifanolanana, ny halatra, ny heloka bevava, sns. Ny mpisolovava sasany dia manam-pahaizana manokana amin' ny: lalàna momba ny raharaham-barotra, ny lalàna momba ny asa, ny lalàna momba ny fianakaviana, sns.