Mpikambana:E-vavaka
Tsy natao handresen-dahatra anao hanaraka ny anaram-piangonana, na fampianaram-pinoana ny e-vavaka, fa natao hampazoto anao hivavaka, ary hiroso bebe kokoa, fa na izany aza afaka manoro hevitra anao kely ihany izahay
Be ny adihevitra miseho ankehitriny, ohatra ihany ireto :
Ny sasany milafa fa tsy hohanina ny kisoa, ny sasany milaza fa tsy maintsy hatao batisa ny zazakely, ny sasany milaza fa asabotsy ny andro fivavahana, ny sasany milaza fa alahady, ny sasany milaza fa tokony hisaron-doha ny vehivavy, ny sasany milaza fa tsy maintsy hateraka indray, ny sasany milaza fa tsy maintsy mivavaka amin'ny Maria Virijiny sy ireo olo-masina rehetra, sns ... zay maro mbola tsy voatanisa eto.
FA NY TENA AZO ANTOKA DIA ITY : raha ibebahanao ny ota nataonao, ka nataonao tamin'ny fo manontolo, ary mikasa sy maniry ao am-ponao ianao fa tsy hamerina intsony, dia mampandroso an'i Kristy Jesosy ao amponao ianao ka mametraka azy ho Tompo sy Mpamonjy dia ho vonjena ianao sy ankohonanao!! www.e-vavaka.com