Mpanoritra tsy mamaritra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mpanoritra tsy voafaritra)

Ny mpanoritra tsy mamaritra dia mpanoritra manamarika tarika tsy voafaritra. Ity karazana mpanoritra ity dia ampiraisina amin' ny anarana mba hilazana fa tsy fantatra na tsy tondroina mazava ny singan-javatra manokana lazaina amin' io anarana io. Mifanohitra amin' ny mpanoritra mamaritra izy noho izany. Amin' ny fiteny sasany dia mitovy endrika amin' izay mpamaritra isa lazaina amin' ny teny malagasy hoe "isa" na "iray" ny mpanoritra tsy mamaritra milaza tokana (ohatra amin' ny fiteny frantsay: un/une vs un/une) fa amin' ny hafa dia miavaka ireo (ohatra amin' ny fiteny anglisy: one vs a/an). Tsy ny fiteny rehetra ahitana mpanoritra mamaritra dia hahitana koa mpanoritra tsy mamaritra. Tsy manana manoritra tsy mamaritra ny fiteny malagasy. Ny mpanoritra tsy mamaritra dia ireo toy ny ao amin' ny fiteny anglisy hoe "some" na "a", izay tsy manondro olona na zavatra manokana. Ny fiteny anglisy dia tsy manana an' ilay endrika milaza maro.

Ohatra:

  1. Give me the book. ("Omeo ahy ilay boky") (voafaritra)
  2. Give me a book. ("Omeo boky aho") (tsy voafaritra)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]